STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 079 (Invaluable) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
79. Tsy hita peispesenina(feon'ny olona mitsoraka ao anaty rano) Mitsoraka amin'ny hakingana feno ao anaty ranomasimbe Ilay Indiana mpitady perla. David Morse, ilay namaky akaiky azy indrindra, no miandry ao anaty sambo mandra-pipoitran'ilay lohany volontany indray avy ao anaty rano. Nosokafany tamin'ny antsy fanao am-posy ilay oistira hitan'ilay namany indiana. David Morse: "Rambhau, tena mpilomano mahay ianao! Sarobidy be ity perla ity." Rambhau: "Eny, tsy ratsy izy." David Morse: "Mbola mety mahita perla tsaratsara kokoa noho ity ve isika?" Rambhau: "Manana iray aho any an-trano izay sarobidy kokoa noho iny." David Morse: "Hitako fa efa tonga lafatra io perla io.Manana fijery manakiana loatra ianao." Rambhau: "Izany no fiteninao rehefa milaza momba ilay Andriamanitrao ianao. Ny olona mihevitra hoe tsara ny ataony, fa ianao miteny hoe Andriamanitra no tena mahita izay tena ao anatiny marina." David Morse: "Eny, marina izany. Saingy tiany omena fo madio ny tsirairay. Fanomezana avy amin'Andriamanitra izany. Azonao ve?" Dia, tonga teo amoron-dranomasina ireo mpinamana anankiroa. Rambhau: "David, ohatran'ny toa mora loatra izy izany. Ny ambom-poko dia manakana ahy tsy handray izany fanomezana izany. Te hanao zavatra aho mba hahazoako izany. Hitanao ve iry mpivahiny iry? Mandeha tsy manao kiraro izy eo ambonin'io vato maranitra io mandram-pahatongany any Calcutta." David Morse: "Izaho kosa handeha handohalika ho any Delhi." David Morse: "Rambhau, mihoatra ny 960 km anie izany. Hofatin'ny fanapoizinana ao amin'ny rà ianao mandra-pahatratraranao ny tanjonao." Fa tsy nisy nilàny azy na tamin'inona na tamin'inona izay nolazain'i David. Nandeha ny andro vitsivitsy. (feo mandondona varavarana) David Morse: "Rambhau, ianao ve izany? Mandrosoa." Rambhau: "David, manomboka rahampitso aho dia hanao ilay fivahiniana masina. Te hiresaka aminao mahakasika an-janako lahy aho mialoha ny handehanako." David Morse: "Mana-janaka lahy angaha ianao?" Rambhau: "Izy no sangany amin'ny mpitady perla teny amin'iny morontsiraka indiana iny. Te hahita izay perla tsara tarehy indrindra hatrany izy. Indray andro, hitany ilay izy saingy noho izy tafajanona ela loatra tao anaty rano dia maty ity fotoana vitsy taorian'io (feo mitomany). Koa satria ianao no namana akaiky ahy indrindra dia omeko anao ilay perla hitany." David Morse: "Rambhau,Tena mahafinaritra izany! Lavorary izy! Saingy tsy azoko ekena izany. Omeko 10.000 Roupies ianao ho vidiny." Rambhau: "Fa tsy afaka mividy izany ianao!" David Morse: "Raha toa ka sarobidy noho izany izy dia hiasa hahazo azy aho." Rambhau: "David, tena sarobidy loatra ity perla ity. Ny zanako lahy no nandoa izany tamin'ny ainy." David Morse: "Rambhau, izany mihitsy no nolazaiko taminao mahakasika an'Andriamanitra. Ilay fanomezany ny famonjena dia tsy voavidy vola. Tsy amin'ny fanaovana asa soa na fanaovana fivahiniana masina. Tena fanomezana avy amin'Andriamanitra mihitsy satria Jesoa, ilay zanak'Andriamanitra no nandoa izany tamin'ny ainy. Tsy tianao ve ny handray izany fanomezam-pahasoavana izany androany?" Rambhau: "Izay vao azoko ilay izy. Tena nefainy tamin'ny ain'ny zanany izany, tiako ny handray ilay fanomezana androany." Ny famonjena dia fanomezana avy amin'Andriamanitra ho anao. Mpandray anjara: Mpitantara, David Morse, Rambhau © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |