Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 078 (Lou Ling makes a decision)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

78. Mandray fanapahan-kevitra i Lou Ling


Nanana olana lehibe Lou Ling. Nieritreritra ilay sampy teo amin'ny talantalana teo ambonin'ny varavarana fidirana izy. Nipetraka tany Chine izy ary nilaza ny ray aman-dreniny fa andriamanitra io tapa-kazo io. Tsy azo atao izany, tsy azo ekena ho marina tsotra izao izany. Ilay Andriamanitra velona dia any an-danitra, ary io sarivongana eo ambony lovia io dia sampy maty. Nanana tanana izy saingy tsy afaka nanampy na iza na iza. Nanana vava izy saingy tsy afaka niteny. Nanan-tsofina izy, saingy tsy nahare.

Nivavaka tamin'io sampy io ny olona, nefa tsy fantany izay nolazain'Andriamanitra velona: Izaho no Tompo Andriamanitrareo; aza miankohoka amin'izay andriamani-kafa afa-tsy Izaho.

Nieritreritra an'izany i Lou Ling.

Lou Ling: "Tena Andriamanitra tokoa ve izany ilay ao amin'ny fitoeram-bokintsika?"

Tao amin'ny sekoly kristiana izay nianarany dia efa nandre momba Ilay Andriamanitra tokana izy. Nianatra izy fa naniraka ny Zanany ho ety amin'izao tontolo izao Izy mba ho faty noho ny fahotan'ny isam-batan'olona. Nampiaiky volana azy ny nandre fa nitsangana tamin'ny maty Izy afaka telo andro sady velona any an-danitra Izy amin'izao.

Iza no manana ny marina? Iza no tena Andriamanitra? Jesoa sa ilay sarivongana tao an-tranony?

Lou Ling: "Fantatro izay hataoko: Haleviko ao an-tokotany ny sampy ao an-tranonay. Raha velona izy rehefa afaka telo andro, dia ho fantatro fa izy no tena Andriamanitra."

Nandray angady i Lou Ling, nandeha tao an-tokotany ary nandevina ilay sampy.

Faly èry izy tamin'ilay hevitra sady niverina tany an-trano. Nandeha ny andro voaohany. Ny andro faharoa dia lasa izy nandeha tany amin'ilay nandevenany ilay sampy dia nangady teo akaikiny. Mbola tao ihany ilay sarivongana. Efa tsy andriny intsony ny andro fahatelo. Fa tamin'io andro io, tahaka ny tamin'ny andro teo aloha, mbola maty tao anaty tany ihany ilay sampy.

Lou Ling: "Ankehitriny aho dia mino ny Tompo Jesoa izay maty sy nitsangana tamin'ny maty ho ahy."

Nandray ny fanapahan-kevitra tsara i Lou Ling ary niainany matetika fa niaraka taminy foana Ilay Andriamanitra velona sady tsy namela azy ho irery mihitsy.

Izao no lazain'Andriamanitra ao amin'ny Teniny: "Izaho no Tompo, Andriamanitrao, aza manana andriamani-kafa ianao, fa Izaho ihany. Tsy misy afatsy Izaho no tokony ho zava-dehibe indrindra aminao."


Mpandray anjara: Mpitantara, Lou Ling

©Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 11:17 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)