Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 057 (Taken hostage in Egypt 5)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

57. Fandraisana takalon'aina tany Egypta 5


(Feon'ny tongon-tsoavaly)

Nandeha namakivaky an'i Ejipta i Josefa tao anatin'ny iray tamin'ireo kalesin'ny mpanjaka. Niankohoka teo anatrehany ny olona rehetra. Notendren'i Farao ho mpanampy azy i Josefa. Nomeny fahefana i Josefa. Nandalo teo anoloan'ireo saha masaka sy ny fambolena rofia i Josefa.

Nitranga nifanaraka tamin'ny efa nolazain'Andriamanitra ny zavatra rehetra: betsaka ny vokatra.

(tabataba ambadika: mively sy mikapoka)

Nanamboatra toerana fitehirizana entana maro i Josefa. Vary marobe no voaangona. Tonga lafatra ireo planin'Andrimanitra nambarany tamin'i Josefa. Arak'izay nolazainy, fito taona mosarena aorian'ny fito taona zina. Noana ny olona ka nankany an-tranon'i Farao.

Ny olona: "Noana izahay. Omeo zavatra izahay hohanin'ny zanakay!"

Farao: "Andraikitr'i Josefa ny manampy anareo. Ataovy izay lazainy."

Tonga avy any amin'ny lafiny rehetra izy ireo. Eny na dia avy amin'ny tany vahiny aza. Indray andro, nisy folo lahy niankohoka teo anatrehany. Fantany avy hatrany izy ireo, ireo Ilay rahalahiny. Nieritreritra ny nofiny i Josefa sy ny fankahalan'izy ireo azy, ary tsaroany fa nivarotra azy ho andevo izy ireo. Saingy tsy nahafantatra azy mihitsy ireo.

Ary Josefa niteny mafy azy ireo.

Josefa: "Avy aiza moa hianareo?"

Rahalahy: "Avy any amin'ny tany Kanana izahay, ary mba te hividy vary."

Josefa: "Mandainga ianareo, mpitsikilo ianareo!"

Rahalahy: "Tsia, milaza ny marina izahay! Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay. Ny iray mbola ao an-trano ary ny iray hafa maty."

Josefa: "Tsy mino na dia teny iray amin'izany aho. Fa satria tia an'Andriamanitra aho, dia homeko vary ianareo. Fa tiako ianareo hiverina hiaraka amin'ilay rahalahinareo hafa. Ary ny anankiray aminareo mijanona eto mba hahazoako antoka fa mitandrina ny teniko ianareo."

Nahoana i Josefa no hentitra be? Te hamaly faty azy ireo ve izy? Tsia! Te-hitsapa ny rahalahiny fotsiny izy. Tiany ho hita raha mba niova izy.

Tsy niahiahy mihitsy izy ireo hoe fatatr'i Josefa izay ambarany rehefa nifampiresaka izy ireo.

Rahalahy: "Tena izao tokoa no sazy vokatry ny nataontsika tamin'i Josefa."

Nitomany i Josefa rehefa nandre izany. Saingy tsy nambarany tamin'izy ireo hoe iza izy. Nody tany an-tranony ireo rahalahy sy ny vary rehetra nilainy, fa Simeona kosa nijanona tany Ejipta.

Nihoron-koditra i Jakoba rain'izy ireo rehefa reny ny antsipirihan'ny dian'izy ireo. Ary rehefa vita ny fihinana ny vary, dia tsy maintsy niverina tany Egypta izy ireo, ary tamin'ity indray mitoraka ity dia niaraka tamin'i Benjamina. Natahotra ireo rahalahy ireo rehefa nanakaiky ny tany Ejipta fanindroany.

Inona no manaraka? Ho hitantsika eo amin'ny tantara manaraka ny zava-nitranga.


Mpandray anjara: Mpitantara, ny olona, Farao, Josefa, rahalahy

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:38 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)