Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 152 (Pass it on 2)
152. Aveo handeha 2
Tsia, tsy nampoizin'ireo boka efa-dahy izany rehefa nitsoaka tao amin'ny tobin'ny fahavalo, narary sy noana.
Boka 1: "Mahita tsara ve aho? Tena tsy mampino mihitsy!"
Boka 2: "Eny tokoa! Foana ny toby! Lasa avokoa ny fahavalo!"
Boka 1: "Angamba fandrika izao."
Saingy tsy izany mihitsy. Tsy tao intsony ireo Syriana izay nanao fahirano ny tanànan'i Samaria nandritra ny fotoana ela be mba hampanoana ny Israelita.
Iza no nandroaka azy ireo?
Ny Baiboly dia milaza amintsika ny zava-miafina: Andriamanitra velona dia nampandre azy ireo ny feon'ny tafika lehibe. Ary satria noheveriny fa efa niray tetika hamely azy miaraka tamin'ny miaramila hafa ny Isiraely, dia niala tao an-toby izy ka nandositra haingana araka izay tratrany.
Nanao io fahagagana io Andriamanitra tamin'ny filentehan'ny masoandro, tamin'ny fotoana nanoloran'ireo boka efatra ny tenany tamin'ny fahavalo.
Nanantena ho amin'ny fahafatesana izy ireo kanefa nahita fiainana.
Boka 1: "Sakafo be dia be! Mbola tsy mino mihitsy aho."
Boka 2: "Endrey ny vidiny! Jero anie! fitafiana, volamena sy volafotsy."
Nihinana sy nisotro izy ireo. Toy ny tamin'ny nofy no nandehanan'izy ireo namakivaky ny toby.
Boka 1: "Tsy mety izao ataontsika izao. Tsy afaka mieritreritra ny tenantsika fotsiny isika. Tsy maintsy milaza izao vaovao mahafaly izao any amin'ny mponina ao an-tanàna isika. Raha tsy miteny isika dia ka ho fatin'ny hanoanana izy ireo dia meloka isika noho ny fahafatesany."
Nino ny mpanjaka tamin'ny voalohany fa hafetsen'ny fahavalo io vaovao io. Fa nivoaka ny tanàna ny mponina rehetra, ka rehefa nahita fa marina izany, dia namabo ny tobin'ny Syriana.
Ilay manamboninahitra nanao tsinontsinona an'Andriamanitra dia voahitsakitsaky ny vahoaka teo am-bavahadin'ny tanàna.
Nitranga araka izay efa nolazain'Andriamanitra ny zava-drehetra.
Nitohy ny fanambarana ny vaovao tsara. Izay nino dia velona koa. Tsara mihitsy rehefa arak'izany rehefa tsy mangina isika!
Mampahatsiahy ahy ny tenin'i Jesoa izany ilay manao hoe: velona Aho mba ho velona ihany koa ianareo.
Tiany ho velona ny olona. Tsy ho velona fotsiny, fa ho velona mandrakizay.
Mbola maro no tsy fantatry izany. Izay no antony mahatonga ahy tia mampita, ny vaovao tsara momba an'i Jesoa. Manao izany ihany koa ve ianao?
Mpandray anjara: Mpitantara, boka 1, boka 2
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina