STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 130 (God is love)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

130. Andriamanitra dia fitiavana


Ankizivavy: "Kami no ai kaschikoschi." (Japoney)

Ankizilahy: "Ego da slawit; Bog est ljubow." (Rosiana)

Ankizivavy: "Isa sevgidir, sever beni." (Tiorka)

Aza manahy fa naheno tsara ianao! Tongasoa eto amin'ny sekoly kely fianarana fomba fitenenana.

Andao hiaraka aminay! Ao anatin'ny telo minitra dia afaka mianatra ny fehezan-teny manan-danja indrindra eto amin'izao tontolo izao amin'ny fiteny samihafa ianao.

Ary inona àry izany fehezanteny izany? Tiako ny milaza aminao an'izao:

Andriamanitra dia fitiavana, ary tiany ihany koa ianao!

Saintsaino anie! Ilay Andriamanitra lehibe sy Tsitoha, Izay nanao ny lanitra sy ny tany no: Tiany ianao! Afaka milaza izany ianao satria naniraka ny Zanany lahitokana tetỳ ambonin'ny tany Izy mba hanonitra ny vidin'ny fahotanao sy ho faty teo amin'ny toeranao.

Nataony izany mba hanananao fifandraisana Aminy, sy hanananao toerana any am-paradisa.

Lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy misy fetra izany.

Noho izany dia azonao atao ny milaza hoe: Andriamanitra dia fitiavana, ary izaho koa tia azy.

Amin'ny fiteny afrikana dia toa izao:

Hatala sinta, to toto domini. Hatala sinta, tau ten yang kong.

Hira: "Hatala sinta, to toto domini…" (jereo ny rakitra wav)

Te-hianatra ilay fehezanteny manan-danja indrindra eto amin'izao tontolo izao amin'ny teny alemana ve ianao?

Gott ist die Liebe, lässt mich erlösen. Gott ist die Liebe, er liebt auch mich.

Hira: "Gott ist die Liebe..." (jereo ny rakitra wav)

Izany no fahamarinana. Milaza amintsika ny Baiboly hoe:

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." (Jaona 3: 16)

Tena tia anao Andriamanitra, tena marina izany! Ary izany no antony ahafahanao mametraka ny anaranao ao amin'io andininy io mitovy amin'ny nataon'i Tom.

Tom: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra an'i Tom, nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very i Tom, fa raha mino Azy i Tom, fa hanana fiainana mandrakizay."

Andriamanitra dia tia ny ankizy rehetra, na inona na inona fiteniny sy volon-kodiny.

Efa fantatry ny namanao sy ny mpiara-mianatra aminao ve izany? Lazao azy ireo izany!

Azonao atao ny manasa azy ireo hihaino ny sekoly kely fianarana fitenenana.

Izao indray ilay fehezanteny amin'ny teny tiorka:

Allah sevgidir, Kurdaricimdir, Allah sevgidir, sever beni.

Hira: "Allah, sevgidir, Kurtaricimdir..." (jereo ny rakitra wav)

Tsarovy fa Andriamanitra dia fitiavana, ary tia anao ihany koa izy! Te hahafantatra bebe kokoa momba an'ilay Andriamanitra ny fitiavana ve ianao? Manorata amiko.


Mpandray anjara: Mpitantara, ankizivavy, ankizilahy, Tom

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 04:09 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)