Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 017 (So courageous 2)
17. Si mahery fo 2
Nandrasana ny orana tamin'io andro io, ary indro fa nilatsaka be ny orana. Mahafinaritra!
Tao anatin'ny andro vitsivitsy dia afaka niala tamin'ny vokatry ny haintany ny zaridaina, ny saha ary ny zaridainam-panjakana.
Iza no nandefa ny orana amin'ny fotoana mety? Iza no miaro ny manan'aina rehetra?
Nisy fotoana teo amin'ny Isiraely izay saika nanadino ny rehetra fa tokana ihany Andriamanitra, ary Izy no mpanome ny orana sy ny masoandro. Nanamboatra andriamanitra avy tamin'ny hazo sy vato ny olona. Nantsoina hoe Baala ny iray tamin'ireo andriamanitra ireo, ary maro ny olona nino fa hahazo voa sy voankazo ary andian'ondry maro avy amin'io sampy maty io izy ireo.
Ny mpanjaka Ahaba no tompon'andraikitra tamin'izany finoana diso izany.
Nanomboka anefa zany rehetra izany rehefa nanambady an'i Jezebela izy. Avy any amin'ny tany tsy nahafantatra ny fisian'Andriamanitra velona izy. Nentiny àry ny fivavahany, dia ny fivavahana tamin'i Bala. Resy lahatra hanompo an'i Bala ny mpanjaka, ny firenen'Isiraely rehetra dia nanaraka azy.
Tsia, tsy ny rehetra.Tsy nanao izany i Elia. Isan'ireo olona tsy nivadika fa natoky an'Andriamanitra izy.
Indray andro izy dia nivavaka:
Elia: "Andriamanitro ô, aoka anie tsy hisy ranonorana hilatsaka mandritra ny telo taona, mba ho fantatry ny firenena rehetra fa Hianao irery ihany no Andriamanitra afaka manome ranonorana sy sakafo."
Resy lahatra tanteraka i Elia hoe hasehon'Andriamanitra tokoa fa Izy Irery ihany no Andriamanitra marina.
Nanatona haingana ny lapan'ny mpanjaka i Elia. Tsy nahazo fotoana mialoha hahafahana miihaona izy fa avy hatrany dia nanaraka ny lalantsara mandra-pahatongany tao amin'ny efitrano misy ny seza fiandrianana, izay nipetrahan'ny Mpanjaka Ahaba.
Tsy nanan-tahotra izy fa dia nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao taminy hoe:
Elia: "Ry mpanjaka Ahaba, Velona ny Tompo Andriamanitra, ary izaho no mpanompony. Tsy hisy ando na orana ao anatin'ny telo taona. Rehefa izany dia ho fantatrareo fa Iray ihany no Andriamanitra velona."
Tsy nahateny na inona na inona akory i Ahaba fa dia najavona i Elia. Inona no manaraka?
Ho fantatrao ny zava-nitranga taty aoriana raha mihaino ny tantara manaraka ianao.
Mpandray anjara: Mpitantara, Elia
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina