STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 097 (Whoever won't listen 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

97. Iza no tsy nihaino 1


(Feon'ny fakapohana)

Lehilahy 1: "Izay ary, fa nanomboka indray!"

Vehivavy: "Tena manorisory ahy tokoa izany!"

Lehilahy 2: "Izy no lehilahy adala indrindra hitako hatramin'izay. Ho avy hono ny orana! Toa hoe, nilaza an'izany taminy hono Andriamanitra."

Tena nolazain'Andriamanitra taminy izany.

Feon'Andriamanitra: "Nanapa-kevitra aho. Fa horavako izay rehetra miaina ety ambonin'ny tany. Ratsy ny eritreriny sy ny ataony, ary miharatsy hatrany hatrany."

I Noa no hany lehilahy mitady ny tavan'Andriamanitra. Noho izany, dia nila herim-po be izy. Tsy namela ny tenany ho voavily hanao ratsy Izy. Nijoro tsara izy ary nanao izay rehetra nasain'Andriamanitra nataony. Faly aminy Andriamanitra.

Feon'Andriamanitra: "Ry Noa, manaova sambo-fiara hazo ianao, fa handefa safo-drano lehibe Aho. Ho rendrika avokoa izay rehetra velona. Fa ianao sy ny vadinao sy ny zanakao-lahy sy ny vadiny no hovonjena."

Nanaja izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminy I Noa. Nanamboatra ny sambofiara niaraka tamin'ny zanany izy, araka ny didin'Andriamanitra. Eo amin'ny ho 150m ny halavany, 22m ny sakany ary 12m ny haavony. Napetraka ny valin-drihana ary nozaraina ho rihana telo misy efitra maromaro. Misy varavarana sy varavarankely eo amin'ny tafon'ny sambofiara. Voaisy tombo-kase tamin'ny tara ny anatiny sy ivelany.

Azonao an-tsaina ve ny fanesoana nataon'ny mpifanolobodirindrina taminy?

Lehilahy 1: "Adala i Noa. Avy aiza ny rano rehetra ilaina hampitsingevana ny sambo?"

Lehilahy 2: "Mbola tsy nahita orana mihitsy aho hatramin'izay. Ry Noa, atsaharo ny zavatra ataonao ary ankafizo ny fiainana."

Tsy nitsahatra anefa i Noa. Nanohy nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy izy. Taorian'ny taona maro niasana mafy, dia vita tanteraka ihany ilay sambofiara.

Feon'Andriamanitra: "Ry Noa, midìra ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao. Makà lahy sy vavy iray avy amin'ny biby fiompy rehetra miaraka aminao, ary koa hanina sahaza ho an'ny olona rehetra. Fa herinandro sisa, dia handatsaka ranonorana ambonin'ny tany mandritra ny 40 andro sy 40 alina aho."

Tsy nahita orana i Noa nefa nanohy nanao izay rehetra nasain'Andriamanitra nataony ihany. Niakatra tao anatin'ny sambofiara niaraka tamin'ny fianakaviany izy. Niditra ihany koa ny biby. Toy ny hoe fantatr'izy ireo fa ho avy ny loza.

Ary niditra tamin'ny alalan'ny varavarana tokana amin'ny sambofiara izy rehetra.

Andriamanitra mihitsy no nanidy ny varavarana tao aorian'I Noa. Namonjy ireo izay natoky Azy sy nankatò Azy Izy.

Ahoana ny amin'ny hafa? Tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ary nijanona tao an-tranony.

Nilatsaka ny ranonorana voalohany. Ary tonga saina tampoka ny olona avy eo fa manatanteraka izay nolazainy Andriamanitra.

Holazaiko anao amin'ny tantara manaraka ny tohin'ny zava-nitranga.


Mpandray anjara: Mpitantara, lehilahy roa, vehivavy, Feon'Andriamanitra

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:22 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)