Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 143 (Like the Chinese 4)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

143. Tahaka ny sinoa 4


Fony izy dimy taona dia fantatr'i Hudson Taylor izay tiany hatao rehefa olon-dehibe izy.

H.T. zaza: "Rehefa lehibe aho dia ho misionera ka ho any Chine."

Rehefa 21 taona izy, dia nankany Chine, nianatra ny fitenin'ilay firenena izy, ary nilaza tamin'ny olona maro ny momba an'i Jesoa. Sarotra be anefa indraindray io asa io.

Lehilahy: "Hey, inona no ataonao eto? Mialà teto!"

Miaramila: "Andeha hovonointsika ireo devoly vahiny ireo."

Lehilahy: "Tsia, andao hoentina any amin'ny minisitra izy ireo aloha."

Nodarohan'ireo miaramila masiaka ireo misionera ary nokendaina ho fatin'ny hasemporana i Hudson. Narary mafy azy ny zava-drehetra, saingy mbola nanao vazivazy ihany izy.

H.T. olon-dehibe: "Tazony mafy, ry namako, fa hanome antsika zavatra hosoratana ao amin'ny diaritsika izany."

Nanohy ny asa nanirahana azy izy ireo noho ny fitiavana an'i Jesoa, satria nijaly mafy kokoa Izy tamin'ny nahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotan'ny tsirairay. Tsaroan'i Hudson matetika izany ary vao mainka tia an'i Jesoa Tompo izy. Nanome hery azy izany rehefa niakatra fitsarana izy sy ny namany.

Nihaino ny fanazavan'izy ireo ny minisitra.

H.T.: "Tianay ny hilaza amin'ny vahoakan'i Tungschau ny momba an'i Jesoa Ilay Mpamonjy. Tia ny olona rehetra Izy. Voasoratra ao amin'ny Baiboly izany. Tianay ny hanome anao anankiray ho fanomezana."

Nahafinaritra ny minisitra izany. Raha toa tokony nokapohiny izy ireo, dia nomeny dité. Raha toa tokony ho voafonja dia navelany hitory momba an'i Jesoa izy ireo.

Jesoa no nampihetsika ny zavatra rehetra. Nisaotra azy i Hudson noho izany. Reraka anefa izy tamin'io hariva io rehefa tonga tany an-trano. Ilay sinoa mpanampy azy dia nijery ny fomba nihinanany ny atodin-ganany sy ny vary miaraka amin'ny hazokely.

Sinoa: "Mr.Taylor, mihinana toa anay ianao, ary miteny toa anay ianao, fa maninona no tsy manao ny akanjonay ianao?"

H.T.: "Maninona tokoa moa? Tsara fipetraka izany fanontaniana izany! Tokony hanao izany ve aho?"

Sinoa: "Tena hihaino anao bebe kokoa ny olona raha manao izany ianao."

H.T.: "Hm... Rehefa tonga teto an-tany Jesoa dia tonga olombelona toa antsika. Marina izany, te-ho tahaka ny sinoa aho. Afaka manampy ahy hanao izany ve ianareo?"

Noho ny fitiavany an'i Jesoa sy ny mponin'i Chine dia nosoloan'i Hudson ny akanjony anglisy ho akanjo sinoa. Tena nety taminy ilay volony lava mainty norandranina.

Sinoa: "Toy ny Sinoa ianao izao!"

Tao amin'ny Nosy Tsung Ming, dia nampianatra Baiboly sy nitsabo ny marary i Hudson Taylor.

Nisy olana anefa indray andro.

Vehivavy 1: "Renao ve izany? Mila miala amin'ny nosy ilay lehilahy tsara Andriamatoa Taylor."

Vehivavy 2: "Mialona azy ny dokoterantsika satria mitsabo marary betsaka kokoa izy ary mandaitra kokoa ny fitsaboana ataony sy ny fanafodiny."

Vehivavy 1: "Nanome sary ratsy momba azy teo imason'ny minisitra izy ireo."

Dia ahona ny tohiny? Holazaiko aminao amin'ny tantara manaraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, Hudson Taylor zaza, Hudson Taylor olon-dehibe, lehilahy, miaramila, Sinoa, vehivavy 1, vehivavy 2

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 08:39 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)