STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 094 (Bad conscience 6) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
94. Feon'ny fieritreretana ratsy 6Nangalarin'i Ringo ny taovan'ilay misiônera. Ary niampanga azy ny feon'ny fieritreretany. Tsy mahasambatra ny halatra. Efa nahita izany koa ve ianao? Na maka zavatra avy amin'ny fivarotana ianao na avy tao anatin'ny kitapon'ny reninao, dia mitovy ihany izany. Tsy misy afa-tsy fomba iray ihany no ahafahana mametraka zavatra iray eo amin'ny toerany. Nisafidy ny handeha amin'io lalana io i Ringo. Nangataka famelan-keloka tamin'i Jesoa izy ary naniry ny hamerina ny zavatra nangalariny. Nofatorany tamin'ilay sarety ireo omby ary napetrany teo ilay taova. Battou: "Ringo, fa inona no ataonao?" Ringo: "Hamerina ny taova aho." Battou: "Adala ve ianao? Nahoana ianao no nangalatra izany raha toa ka hamerina izany? Tsy azoko intsony ianao hatramin'ny nanapahanao hevitra hino an'i Jesoa. Ringo: "Miakara, hohazavaiko aminao ny zava-drehetra mandritra ny dia." Maika ny ho tonga any an-drenivohitra i Ringo. Faly izy fa nahita an'i Ramatoa Merry avy hatrany. Mpandika Baiboly tany Inde no asany. Ramatoa Merry: "Miarahaba anareo roa lahy! Tena mahafinaritra ny mahita anareo tonga aty. Afaka mangataka fanampiana kely aminareo ve aho? Tsy ampy teny Kourkou vitsivitsy aho ao amin'ny fandikàna nataoko. Afaka hanampy ahy ve ianareo?" Ringo: "Eny, saingy tsy maintsy mahita an'i Sahib Grubb aloha aho." Ramatoa Merry: "Tsy eto izy, narary mafy izy. Nisy fiaramanidina nitondra azy niverina tany an-tranony tany Amerika. Saingy tsy afaka nanao na inona na inona ho azy intsony ny mpitsabo. Any an-danitra i Sahib Grubb amin'izao fotoana izao." Ringo: "Any an-danitra i Sahib miaraka amin'i Jesoa Tompo, azo antoka fa tena faly izy any. Tsy eto amintsika intsony ve izy?" Ramatoa Merry: "Tsia, tsy eto amintsika intsony izy." Tena nampalahelo an'i Ringo izany vaovao izany. Nitomany izy. Ramatoa Merry: "Jereo anie, manana ny sariny aho. Tianao ve ny hitazona izany?" Ringo: "Misaotra betsaka. Ny Sahib-ko no nilaza tamiko ny amin'ny Tompo Jesoa." Ramatoa Merry: "Ringo, manana planina ho amin'ny fiainanao Andriamanitra, mino aho fa tiany ianao mba hilaza amin'ny hafa ihany koa ny momba Azy." Ringo: "Fa nangalatra zavatra aho, ny taova dia ao anaty sarety." Izay fa niaiky ny zavatra nataony izy. Maivamaivana aok'izany i Ringo. Namela ny helony Ramatoa Merry. Maivana izy ka nitsambikina teo amin'ilay sarety ary namerina ilay zavatra nangalarina. Ringo: "Veloma Ramatoa Merry. Amin'ny manaraka rehefa mitsidika anao aho, dia hilaza teny Kourkou maro hafa. Saingy ankehitriny dia mila mitady kitay izahay." Ary nivavaka izy nandritra ny dia. Ringo: "Misaotra betsaka anao, ry Jesoa Tompo ô, noho ny namelanao heloka ahy. Miangavy anao aho mba hilaza amin'i Sahib fa efa naveriko ny taova. Faly loatra aho izao, ary te hanompo anao." Battou: "Ringo, azonao lazaina amiko ve ny momba an'i Jesoa?" Ringo: "Eny, tena faly aho ny miresaka ny momba azy aminao isan'andro." Mpandray anjara: Mpitantara, Ringu, Battou, Ramatoa Merry © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |