STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 060 (Christmas – so different 2) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
60. Noely - Tena hafa mihitsy 2Tsy misy olona mankalaza ny Krismasy ao amin'ity tanàna kely iray eny an-tendrombohitra ity. Tsy nisy olona faly fa hoe teraka Jesoa Tompo. Hafa noho izany ny an'i Turea. Notantarainy mangingina tamin'ny anadahiny tamin'io maraina io ny tantaran'i Maria sy Josefa ary Jesoa zaza. Te-hankalaza ny Krismasy izy, saingy tsy fantany hoe amin'ny fomba ahoana. Tao amin'ny sekoly kristiana, nanana hazo krismasy, fanomezana, jiro ary hira izy ireo, saingy tsy nahita izany tao an-tranony i Turea. Nanaovany ny aron'akanjony, nametafeta ny koba hanaovana mofo izy, nanovo rano avy tao amin'ny lavaka fantsakana izy ary nandeha nitery ny osy. Faly i Turea afaka nanampy ny reniny izay reraka. Anisan'ny fomba iray hankalazana ny krismasy izany. Ny hariva dia vahiny maro no tonga. Te-hahita an'i Turea indray ny fianakaviana iray manontolo satria irery tao an-trano izy nandritra ny fialantsasatry ny sekoly. Nihinana bitro natono sy mofo fisaka izy ireo. Samy nankafy ny fotoana ny rehetra. Taorian'ny sakafo, nilaza tampoka i Hassan: Hassan: "Turea, tantarao aminay ny tantaran'i Jesoa zazakely tao amin'ny fihinanam-bilona, ilay nolazainao tamiko androany maraina." Nisy fahatoniana manahirana nanenika ny efitrano. Tsy raisina tsara eto ny anaran'i Jesoa, ary noho izany antony izany, dia tezitra ny olona nijery an'i Turea. Nihomehy azy ny havany Armeen. Armeen: "Izany ve no ampianarin'izy ireo anao any am-pianarana? Tsy niresaka momba izany mihitsy ianao..." Nangina i Turea. Nahatsiaro ho irery sady nailika izy. Toy izay ny efa tsapan'i Jesoa taona maro talohan'izay. Kanefa na inona na inona no hitranga, dia naniry hijanona ho mahatoky izy. Nandray fitenenana ny rainy: Ray: "Mazava ho azy fa tsy mino ny tantara ao amin'ny Baiboly i Turea. Manana fivavahana hafa izahay, fantany izany. Sa tsy izany ve ry Turea?" Turea: "Izaho mino an'i Jesoa. Izy Irery ihany no lalana ahafahantsika mankany an-danitra. Hoy i Jesoa: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, ary tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako." (Jaona 14. 6) Nisy fahanginana mampangoritsina sy fijery ratsy natao tamin'ilay zazavavy 13 taona. Narary an'i Turea ny fahafantarana fa nandà an'i Jesoa ny hafa. Nihazakazaka nivoaka izy ary nitomany. Izy irery ihany no olona tia an'i Jesoa Tompo. Nahoana ny hafa no tsy tia azy? Tsy nahazo valiny i Turea. Tampoka teo dia hitany fa nijoro teo akaikiny ny zandriny lahy Hassan. Hassan: "Turea, tiako ny tantaranao, te-ho tahaka anao aho." Nitsiky i Turea. Tsy natahotra intsony izy. Tonga tao am-pony ny fifalian'ny Krismasy. Nankalaza ny krismasy niaraka tamin'i Jesoa tao am-pony izy! Mpandray anjara: Mpitantara, Hassan, Armeen, Turea, ray © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |