Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 052 (Without a schedule to Hawaii)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

52. Tsy nisy famantaran-toerana aty Hawai


Efa voamarikao ve ny fomba fivorivorian'ny vorona mpifindra monina amin'ny tariby mandeha amin'ny herinaratra, alohan'ny hisidinany? Heverinao ve fa tian'izy ireo ny mandeha?

Isan-taona saika datin’andro mitovy mihitsy, dia manidina mianatsimo ny vorona toy ny fitilisaisy sy ny sidintsidina ary ny vano. Iza no nilaza tamin'izy ireo fa fotoana izao hanangonany ny entany? Andriamanitra Mpamorona no nanao an'izany.

Manaraka ny toroheviny izy ireo dia izany no mahatonga azy ireo ho voaaro.

Misy vorona sasany manidina efa ho 10.000 km! Rehefa tonga ny lohataona, dia miverina any amin'ny akaniny indray izy ireo. Tsy fahagagana ve izany?

Misy karazana vorona monina any Alaska, izay tsy misy ny tany maina fa ranomandry fotsiny. Rehefa afaka 26 andro, dia foy avy ao amin'ny atody io vorona io. Ny goavy tsinahy sy ny samoina no sakafo tiany indrindra. Mitombo tahaka ny voromailala izy, ary ny volony dia miloko maitso mivolombolamena. Tsy afaka mandeha tsara izy, saingy afaka manidina. Zava-dehibe indrindra ho azy izany, satria mandany ny fialan-tsasatry ny ririnina any Hawaii izy. Midika izany fa manidina mandritra ny 88 ora tsy an-kiato izy.

Mpandaha-teny: "Mistery ho an'ny mpahay siansa ny diany. Alohan'ny hiaingany, dia mahazo ny antsasaky ny lanjany amin'ny vatany izy.
Alao sary an-tsaina raha mitranga aminao izany. Mandritra ny sidina, tsy maintsy mikopaka ny elany in-250.000 izy ary mbola manampy izany ny lanjany. Azonao atao ve ny manao paompy iray am-pahaefatry ny iray tapitrisa kanefa tsy maka aina? Raha misy fandrefesana ny hafainganam-pandeha ny vorona dia mety manondro izany hoe mahavita 50KM isan'ora izy ireo.
Ity vorona avy any Alaska ity dia milanja 200 g ary mandoro 0.6% amin'ny lanjan'ny vatany isan'ora amin'ny sidina. Ny kajy dia manondro fa amin'ny fanjifàna lanja avo toy izany, dia tokony ho reraka izy ka hilatsaka any an-dranomasina rehefa eo amin’ny 800 km alohan'ny hahatongavana any amin'ny toerana halehany. Saingy tsy mitranga izany satria manidina miaraka ao anaty vondrona ireo vorona ireo ary miara-mamorona V. Mifandimby izy ireo mankeny anoloana, mba hahafahany mitsitsy ny heriny."

Manaraka ny toromarika napetrak'Andriamanitra ao anatiny io vorona io. Sady tsy manana sarintany no tsy misy tondroavaratra kanefa dia afaka manidina mandritra ny alina sy ao anaty rahona izy. Ary na dia tsy mbola tany Hawaii aza ireo vorona tanora ireo, dia hitany ihany ity nosy kely eo afovoan'ny ranomasimbe goavana ity.

Tsy kisendrasendra izany. Mihaino ny feon'Andriamanitra izy ireo ary mihira fiderana ho an'Andriamanitra.

Tsy tokony hanao toy izany ihany koa ve isika?

Ireo toromarika tsara omen'Andriamanitra antsika dia ao amin'ny Baiboly. Izay manaraka izany dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny tanjona farany.


Mpandray anjara: Mpitantara, mpandaha-teny

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:31 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)