Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 053 (Envy has terrible consequences 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

53. Ny faniriana dia misy vokany mahatsiravina 1


Manana mpiray tampo aminao ve ianao? Miombon-kevitra amin'izy ireo foana ve ianao, sa misy zavatra mampiady hevitra indraindray? Marina izany, kanefa afaka mianatra mifankahazo isika samy isika.

Mbola tsy nahalala an'izany anefa izy ireo tao amin'ny fianakavian'i Jakoba. Ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Alaivo sary an-tsaina hoe nisy mpirahalahy roa ambin'ny folo tao amin'ny fianakaviana iray. Efa olon-dehibe ny ankamaroany. Betsaka ny zavatra mety mitranga an! Matetika henjankenjana ny fiarahana.

Rahalahy 1: "Efa leo an'izany aho. Josefa no tiana indrindra."

Rahalahy 2: "Ilay zandriny indrindra izay tsy tena lehibe akory iny no manao izay tianay hatao."

Rahalahy 1: "Miasa mafy isika, ary omen'i raintsika azy izay rehetra ilainy."

Rahalahy 2: "Ilay mihanta ratsy iny! Hitanareo ve ilay akanjo vaovao vao azony?"

Rahalahy 1: "Tia azy mihoatra noho isika ny raintsika. Tsy rariny izany!"

Be fialonana ny rahalahin'i Josefa. Efa nieritreritra na niteny tahaka ny nataon'izy ireo ihany koa ve ianao? Misy vokany ratsy ny fitsiriritana ao am-pontsika. Toy ny ahi-dratsy izay tsy mitondra afa-tsy voka-dratsy izany: fialonana, fankahalana, fifandirana.

Fantatro fa ny zavatra tsara indrindra ho ahy dia ny miresaka amin'i Jesoa avy hatrany momba izany ary avy eo mangataka Azy mba hanala ny fitsiriritana na ny fialonana ao am-poko.

Tsy nanao ny tsara indrindra ny rahalahin'i Josefa: fangatahana famelan-keloka. Izany no mahatonga ny fitsiritan'izy ireo hitombo hatrany. Nankahala an'i Josefa izy ireo ary nanao azy toy ny tsy misy. Tena mafy ho an'i Josefa ny nahatsapa fa toy ny vahiny izy tao amin'ny fianakaviany, ary ambonin'izany dia noesoesoana izy. Tsy nanohitra ny fanamavoan'izy ireo anefa izy. Nomen'Andriamanitra hery hiaretana izany rehetra izany izy. Indray alina Andriamanitra dia niresaka tamin'i Josefa tamin'ny nofy. Ny ampitso maraina dia notantarainy tamin'ireo rahalahiny ny momba ny nofiny.

Josefa: "Nanonofy aho hoe niara-nijinja vary isika sady niara-namehy ny amboara. Tampoka teo dia nitsangana teo afovoany ny amboarako, ary niankohoka teo anatrehako ny amboaranareo."

Rahalahy 1: "Inona no dikan'izany? Tianao ve ny ho lasa Mpanjakanay?"

Josefa: "Rehefa afaka izany, dia nanonofy aho hoe miankohoka eo anatrehako ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo."

Rahalahy 2: "Moramora ianao, ry lehilahy adala. Inona no eritreretinao?"

Mety ho tsara kokoa ho an'i Josefa angamba raha tsy nilaza tamin'izy ireo ny zavatra nolazain'Andriamanitra taminy tao amin'ny nofy izy. Vao mainka nitombo ny fankahalan'ny rahalahiny azy taorian'izay. Fantatrao ve ny voka-dratsin'ny fitsiriritana? Naniry azy tsy ho velona intsony izy ireo.

Na dia ny rain'i Josefa aza dia nibedy azy, saingy tsy afaka nanadino ny nofy izy.

Inona no dikan'izany rehetra izany?

Ho afaka handre bebe kokoa ianao amin'ny tantara manaraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, Josefa, rahalahy roa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:32 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)