STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 163 (Secret in the Wilden woods 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

163. Zava-miafina tao amin'ny ala dia 1


Tezitra tamin'i Nenitoa Margaret i Ruth. Noho ny fitondran-tena ratsy nataony fotsiny dia voasazy izy: matory tsy misy sakafo hariva.

Fotoana taty aoriana, niditra tamim-pahamalinana tao amin'ny efitranony i Philippe.

Philippe: "Ruth, ity ho anao. Nafeniko tato am-paosiko iny."

Tena noana be i Ruth ka nanaikitra ny mofokeliny.

Ruth (Feno ny vava): "Philippe, te ho tsara fanahy aho. Maninona aho no tsy mahavita izany?"

Philippe: "Tsy fantatro. Angamba tokony hiezaka ny tsy ho tezitra ianao, amin'izay dia tsy hiteny teny ratsy be loatra tahaka izao... Tena tsara fanahy i Nenitoa Margaret satria mandray antsika eto, mandritra ny fotoana maha misionera ny ray aman-drenintsika any India."

Nisento i Rota ary nataony tao am-bavany ny antsasak'ilay mofokely.

Tampoka teo dia nandre ny dian'i Nenitoa Margaret izy ireo.

Nirohotra nankany amin'ny efitranony i Philippe ary nandry teo am-pandriany niaraka tamin'ny akanjony.

Nenitoa Margaret: "Soava mandry Philippe. Soava mandry Rota."

Philippe: "Tsara alina Nenitoa Margaret."

Mody natory i Ruth.

Ny ampitso maraina, dia nanomana planina momba ny fialan-tsasatr'izy ireo i Philippe.

Philippe: "Hahita ny tsiambaratelon'ny ala isika, sao dia mety ho foy anio ny zana-borona eo akaikin'ny renirano. Hanamboatra trano hazo kely isika, ho lasa tena foibe-toerana momba ny zava-boaary.

Tena nafana fo i Rota.

Nihazakazaka nanaraka ilay lalana kely mihazo ny ala izy mianadahy.

Nijanona i Ruth ary nijery ny andian'ondrin'Andriamatoa Tanner. Nisy zanak'ondry kely nanatona azy ka nilelaka ny tanany. Tsy nanana ray aman-dreny izy ary nandositra ny andian'ondry indraindray.

Philippe: "Avia, ry Rota, tsy manam-potoana firy isika."

Nahita ny toerana tsara indrindra ho an'ny trano bongony izy ireo. Nanangona sampan-kazo i Rota ary i Phippe kosa nanao wigwam, izany hoe trano bongo boribory. Tonga tao amin'io toerana tsiambaratelo io izy ireo isan'andro.

Indray mandeha dia tsy maintsy nijanona tao an-trano i Ruth ary namoaka ny lamba. Tsy tiany mihitsy izany. Tao anaty fahatezerany dia navelany nilatsaka tao anaty vovoka ireo akanjo madio.

Nenitoa Margaret: "Tsy afaka mitandrina ve ianao? Mialà ianao tsiny amin'izao fihetsikao izao."

Ruth: "Tsy hiala tsiny aho fa ratsy fanahy loatra ianao, ry Nenitoa Margaret."

Nenitoa Margaret: "Ruth a, efa nieritreritra tsara aho fa halefako any amin'ny kilasimandry ianao."

Ruth: "Dia handositra aho." (feon'ny varavarana mihidy)

Nihazakazaka tamim-pahatezerana i Ruth. Lasa lavitra izy. Ho aiza anefa? Na izy aza tsy nahafantatra izany.

Saingy nanaraka azy ny tenin'i Nenitoa Margaret.

(miaraka amin'ny akony midina tsikelikely: Alefako any amin'ny kilasimandry ianao. Dia handositra aho izany. Alefako any amin'ny kilasimandry ianao. Dia handositra aho izany...)

Ho hitanao ao amin'ny tantara manaraka izay nanjo an'io mpandositra io.


Mpandray anjara: Mpitantara, Philippe, Ruth, Nenitoa Margaret

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 09:28 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)