STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 063 (Sammy's discovery)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

63. Ilay zavatra hitan'i Sammy


Tany amin'ny araben'i New York, nisy rivotra mangatsiaka nitsoka. Nosintonin'i Sami ho eo amin'ny sofiny ny satrony. Isaky ny hariva dia manana fahazarana mandeha an-tongotra miaraka amin'ny rainy izy. Nisy fiara mandeha mafy be, ny hisatry ny fiara maneno ihany koa, ny vehivavy nihazakazaka mamonjy fiara fitateram-bahoaka miaraka amin'ny harona feno entana. Maika ny rehetra.

Sami: "Dada, inona daholo ireo?"

Namaly ny rainy, izay lasa saina lalina:

Rainy: "Inona no tianao holazaina?"

Sami: "Ilay kintana, Dada a, tsy hitanao ve ireo?"

Mientana erỳ izy nanondro ny varavarankelin'ny iray tamin'ireo trano. Ao anatiny dia nisy labozia nirehitra ka ny lelafo dia tahaka ny kintana tao anatin'ny haizina.

Rainy: "Nametraka labozia teo amin'ny varavarankeliny ireo olona ireo ho an'ny zanany lahy. Lavitra izy any amin'ny ady ary miady amin'ny fahavalontsika. Raha sanatria voatifitry ny bala izy dia hotsofin'izy ireo ny labozia."

Rehefa nanohy nandeha izy ireo dia nieritreritra ilay raim-pianakaviana hoe: "Manantena aho mba tsy hametraka labozia eo amin'ny varavarankely ho an'ny zanakay lahy."

Nanohy nijery ireo kintana i Sami.

Sami: "Dada, misy kintana iray hafa iry, ary iry ihany koa misy kintana hafa! Jereo, misy labozia roa eto amin'ity varavarankely ity. Manan-janaka roa lahy ao anatin'ny ady ity fianakaviana ity."

Teo amin'ny faran'ny arabe, nanainga ny lohany i Sami ary nijanona tampoka. Nitazona ny fofonainy izy, toy ny hoe nisy zavatra tsy azo noeritreretina nitranga.

Sami: "Jereo, ry Dada, iny ambony iny!"

Nahita ilay kintanan'ny alina tao amin'ny lanitra maizina izy.

Sami: "Andriamanitra ihany koa ve mba manana zanaka, mba efa nametraka kintana teo amin'ny varavarankely ve Izy?"

Rainy: "Eny, manana Zanakalahy tokana Andriamanitra, naniraka Azy hiady amin'ny ratsy eto amin'ity tontolo ity Izy ka dia nandresy Izy! Tsy tamin'ny fitaovam-piadiana fa tamin'ny fitiavana. Namoizany ny ainy izany, kanefa tiany mihitsy aza ny fahavalony, dia ireo izay namantsika Azy teo amin'ny hazo fijaliana. Nantsagan'Andriamanitra tamin'ny maty Izy. Noho izany dia afaka ny hihavana amin'Andriamanitra sy ny olon-kafa isika noho ny Aminy."

Taty aoriana, matetika i Sami no nieritreritra an'ireny kintana teo am–baravarankely ireny. Nieritreritra an'Ilay niady tamin'ny ratsy teto amin'izao tontolo izao tamin'ny nanolorany ny ainy ihany koa izy.

Jesoa dia manome antsika fiadanana. Mbola misy ny ady mahatsiravina izay mampatahotra sy miteraka fijaliana. Mbola mamono olona maro ny baomba sy ny bala.

Fa ilay kintana eo amin'ny varavarankelin'Andriamanitra dia tsy mety maty. Izy ilay manome famonjena sy fiadanana ho an'izay rehetra mangataka izany, Izy ilay tsy ho faty na oviana na oviana: Jesoa Kristy.


Mpandray anjara: Mpitantara, rainy, Sami

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:54 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)