STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 062 (Finally at the goal 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

62. Tonga amin'ny tanjona ihany 2


Diso fanantenana ny olon-kendry avy any atsinanana raha niala tao an-dapan'ny mpanjaka tany Jerosalema.

Tao izy ireo no nitady an'i Jesoa, ilay Mpanjaka vao teraka. Tonga mba hitsaoka Azy izy ireo ary hampiseho amin'ny olona rehetra fa te hanao Azy ho Tompon'ny fiainany.

Tsy nahita Azy tany Jerosalema izy ireo. Maizina ny andro rehefa nandao ny tanàna izy ireo.

Olon-kendry 1: "Nahoana i Heroda Mpanjaka no tezitra be?"

Olon-kendry 2: "Ary nahoana no tiany ho fantatra marina ny fotoana nisehoan'ilay kintana?"

Olon-kendry 1: "Io indray ilay izy! Io ilay kintana izay nampiseho antsika fa teraka ny mpanjakan'ny Jiosy!"

Faly erỳ ireo olona avy tany Babylona ireto nahita an'ilay kintana indray.

Alao sary an-tsaina ange e! Nandroso teo anoloan'izy ireo teny amin'ny lanitra ilay kintana ary nampiseho azy ireo ny lalana mankany Betlehema.

Nijanona avy hatrany teo ambonin'ny trano iray ilay kintana, satria tao amin'izany trano izany, Maria syJosefa niaraka tamin'i Jesoa zazakely.

Nijanona tao izy ireo ary nahita toerana hatoriana taorian'ny fanisam-bahoaka, raha toa kosa afaka nody ny olon-drehetra.

Tratran'ireo olon-kendry ihany ny tanjony tamin'ny farany.

Niditra tao amin'ilay nitoeran'i Maria sy Josefa izy ireo, ary ny nahita-maso an'i Jesoa Zazakely, ilay mpanjaka nirahin'Andriamanitra.

Talanjona izy ireo, ka niankohoka teo anatrehan'i Jesoa ary nitsaoka Azy.

Maniry ny ho Azy izy ireo, Izy no ho Mpanjaka sy Tompon'ny fiainany.

Mpanjakanao tokoa ve Jesoa? Moa ve ianao te-hamela Azy hitarika anao mandritra ny fiainanao?

Tsy misy tsara kokoa ho ahy sy ho anao eto amin'izao tontolo izao afatsy ny manana an'i Jesoa ho Mpanjakan'ny fiainantsika.

Ireo olon-kendry dia efa Azy. Nanolotra ny fanomezana izy ireo, tena feno fankasitrahana! Ny volamena sy ny emboka manitra ary ny menaka manitra lafo vidy no fanomezana ho an'Ilay Mpanjaka mandrakizay.

Ny fanomezana manan-danja indrindra ananantsika dia ny fiainantsika. Na iza na iza manolotra ny ainy ho an'i Jesoa dia hovalian-tsoa tanteraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, olon-kendry roa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:51 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)