STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 061 (A new star 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

61. Ilay kintana vaovao 1


Kintana an'arivony tapitrisa no mamirapiratra eny amin'ny lanitra amin'ny alina. Nandinika ny lanitra mamirapiratra tamin'ny alalan'ny teleskaopy ny lehilahy avy any Babylona.

Olon-kendry 1: "Jereonareo, indro misy kintana izay tsy mbola nisy teo anatrehan'izay!"

Olon-kendry 2: "Marina ny anao. Tena kintana vaovao io. Inona no dikan'izany?"

Mahafantatra zavatra betsaka momba nyastronomia izy ireo. Mba hahitany ny valin'ny fanontaniany, dia nianatra sy mandinika takelaka vato sy horonam–taratasy lava be izy ireo.

Olon-kendry 1: "Eto! Ny kintana dia mampiseho amintsika fa teraka ny Mpanjakan'ny Jiosy."

Olon-kendry 2: "Mpanjaka tena miavaka! Ny zavatra tsara indrindra tokony hatao dia ny mandeha sy mitady azy ary midera Azy, tsy maintsy ho lasa mpanjakantsika ihany koa izy."

Jesoa, ilay Mpanjaka mandrakizay no teraka.

Andriamanitra no nanambara izany voalohany indrindra tamin'ny mpiandry ondry, ary avy eo tamin'ny olon-kendrin'i Babylona.

Fotoana fohy taorian'izay dia nangorona ny entany ireo Magy Telo lahy, nitondra ny kitapony sy ny fanomezana ary nametraka izany tamin'ny ramevany. Tsy maintsy nandeha lavitra mihoatra ny 1.000 km izy ireo. Mety haharitra volana maromaro ny dian'izy ireo. Zava-dehibe tamin'izy ireo anefa i Jesoa. Te hidera Azy izy ireo ary haneho amin'ny olona rehetra fa nanaiky Azy ho Tompon'ny fiainany izy ireo.

Moa ve ianao haneho Aminy zavatra mitovy amin'izany amin'izao vanim-potoana Krismasy izao? Tianao ho Tompo sy Mpamonjy anao koa ve Izy?

Reraka, Tonga tao Jerosalema ihany ireo Magy tamin'ny farany.

Olon-kendry 1: "Aiza ny mpanjaka vao teraka? Nahita ny kintany izahay ka tonga hiankohoka eo anatrehany."

Tsy nisy namaly azy ireo. Tohina ny olona ary nanohy nandeha. Manoatra noho izany no nataon'i Heroda Mpanjaka. Natahotra ny ho very seza fiandrianana io mpanjaka mahatsiravina, izay natahoran'ny rehetra io. Nangoniny haingana ny mpanora-dalàna.

Heroda: "Fantatrareo ve hoe aiza no hoteraka ny Mpanjakan'ny Jiosy?"

Mpanora-dalàna: "Mazava ho azy, fantatray izany. Nianatra momba ny tenin'Andriamanitra izahay. Ary ny mpanjaka dia hivoaka avy any Betlehema."

Namely an'i Heroda toy ny sabatra ireo teny ireo. Saingy tsy nisy olona navelany hahita ny tahony. Ary izy nanontany tamin'ny olon-kendrin'i Babylona mangingina:

Heroda: "Oviana no nisehoan'ny kintana? Oviana ianareo no nahita azy io voalohany?"

Tsy fantatr'izy ireo ny fikasan-dratsin'i Heroda, ka nomeny azy ilay daty. Fantany ankehitriny izay tokony ho fantany.

Heroda: "Mankanesa any Betlehema, ka izahao ny zaza. Ary rehefa hitanareo izany, dia miverena, ka lazao amiko, fa izaho koa mba te-hiankohaka Aminy."

Tena te hanao izany ve izy? Tsia. Io mpandainga mahatsiravina io te hanjaka samirery ary vokatr'izany dia te-hamono ity mpanjaka mbola zaza ity izy. Nandao an'i Jerosalema ny olon-kendry.

Amin'ny manaraka ianao dia handre ny tohiny.


Mpandray anjara: Mpitantara, olon-kendry roa, Heroda, mpanora-dalàna

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 10:44 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)