Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 084 (The mysterious dream 2)
84. Ilay nofy feno mistery 2
Tsy nety nahita torimaso mihitsy ny mpanjaka Nebokadnezara indray alina. Nitebiteby ny fanahiny, nivadibadika tamin'ny ilany sy ny ilany izy. Nantsoiny ny iray tamin'ireo mpanompony. (feon'ny lakolosy)
Mpanompo: "Ry mpanjaka o, hovelona mandrakizay anie hianao! Inona no azoko atao ho anao?"
Ny mpanjaka: "Vorio avy hatrany ireo mpanolontsainako sy ireo mpisikidiko."
(feo hafa maromaro, olona mandeha an-tongotra, avy eo dia tony)
Ny mpanjaka: "Nanonofy aho ka tena mampitebiteby ahy loatra izany. Te- hahalala izay tiany ambara aho."
Ny mpanao majika: "O ry mpanjaka o, ho velona mandrakizay anie ianao! Ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny."
Ny mpanjaka: "Tsia, ianareo no milaza ny nofy amiko. Mandidy anareo aho. Raha mahalaza nofy amiko ianareo dia omeko fanomezana sy valisoa. Fa tsy manao izany ianareo dia hovonoiko ianareo!"
Ny mpanao majika: "Ry mpanjaka o, aoka holazainao aminay mpanomponao ny nofy, dia afaka milaza aminao ny heviny izahay."
Ny mpanjaka: "Fian-tsiny mandringa izany. Fantatro marimarina tokoa fa mitady handany andro foana ianareo."
Ny mpanao majika: "Afaka mandika ny hevitry ny nofy izahay, saingy tsy misy olona éty ambonin'ny tany afaka milaza izay angatahin'ny mpanjaka. Tsy misy olona afaka manao izao fangatahinao izao."
Ny mpanjaka (dia tezitra ka nisafoaka mafy): "Tsy maintsy vonoiko ho faty ianareo!"
Daniela sy ireo namany dia voakasik'izany ihany koa. Saingy tsy natahotra izany i Daniela. Rehefa reny ny anton'izao didy mahatahotra izao, dia nody tany an-tranony izy Niambara tamin'ireo namany hoe:
Daniela: "Mila mivavaka isika. Mahalala ny zavatra rehetra ny Andriamanintsika. Afaka ambarany amiko io nofy mirakitra zava-miafina io."
Andriamanitra no Ilay hany tokona afaka manampy azy. Ary nataony izany. Nampahafantarin'Andriamanitra tamin'i Daniela iny alina iny ilay nofy.
Daniela: "Tena Andriamanitra mahagaga Ianao, misaotra! Fantatrao ny zavatra rehetra ary koa mamaly ny vavaka ataonay ianao!"
Nangataka mba hoentina eo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela.
Ny mpanjaka: "Tena afaka manambara amiko ilay nofiko ve ianao?"
Daniela: "Tsy misy mahavita izay nangatahin'ny mpanjaka. Saingy Ilay Andriamanitra velona dia afaka mampiseho ny zava-miafina rehetra. Nambarany taminao tamin'ny nofy izay rehetra hitranga amin'ny ho avy. Tao anatin'ny nofy ny mpanjaka dia nahita sarivongana iray tena lehibe. Kanto èry ny bika aman'endriny. Ny lohany dia vita tamin'ny volamena tsara. Izany dia maneho ny fanjakanao. Fanjakana izay lehibe indrindra sy matanjaka indrindra raha mihoatra noho ny hafa. Saingy ireo fanjakana izay ho avy aorianao dia ambany lavitra kokoa. Amin'ny farany dia hovoazara ny fanjakana. Saingy mandritra izany dia manorina ny fanjakany foana Andriamanitra. Mitoetra foana ny fanjakan'Andriamanitra. Maharitra mandrakizay Izy. Marina ny nofinao."
Ny mpanjaka: "Mpanjakan'ny mpanjaka ny Andriamanitrao!"
Niaiky volana tamin'ny fanambarana ny nofy ny mpanjaka. Nanolotra fanomezana lehibe maro ho an'i Daniela izy izay nampanankarena be azy.
Izay nitranga manaraka dia horenesintsika amin'ny tantara manaraka.
Mpandray anjara: Mpitantara, mpanompo, Nebokadenezara, mpanao majika, Daniela
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina