Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 076 (Three lies in one night)
76. Lainga telo tao anatin'ny alina iray
Petera: "Tsia, tsy marina izany! Tsy hanao an'izany mihitsy aho!"
Indraindray Petera dia tahaka ny olona iray izay mirehereha, nefa mihevitra aho fa tena eritreretiny tsara izay zavatra nolazainy.
Petera: "Tsy mety hitranga amiko mihitsy izany."
Tsy mbola nieritreritra toy izany ve ianao? Tena nahatoky tena i Petera tamin'iny alina iny, raha niaraka mandeha tamin'i Jesoa sy ny mpianatra hafa izy. Nihamaizina ny andro, rehefa injay tampoko teo, Nijanona Jesoa sady niresaka tamin'izy ireo."
Jesoa: "Hiparitaka lavitra Ahy ianareo anio alina ka hahafoy Ahy."
Petera: "Tsia. Eny, na dia hahafoy anao aza ny hafa, izaho tsy hanao izany mihitsy."
Jesoa mahafantatra ny fontsika.
Jesoa: "Petera, Izaho mahafantatra anao. Raha mbola tsy maneno akory ny akoho dia handà intelo ianao hoe tsy nahalala Ahy."
Petera: "Jesoa Tompo, tsy hanao izany mihitsy aho. Aleo ho faty toy izay handà anao."
Niteny toy izany ihany koa ireo mpianatra hafa. Jesoa anefa nahafantatra azy ireo tsara.
Fotoana fohy taorian'izay, rahefa voafatotra sy nentin'ireo fahavalony i Jesoa dia nahafoy Azy ny mpianany rehetra. Natahotra mafy i Petera. Nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra tena anefa izy, satria tiany ho hita izay hataon'ireo Aminy.
Petera: "Aiza no hitondrany azy? Any amin'ny lapan'ny mpisoronabe ve? Ary izaho? Antenaiko fa tsy hahasarika ny sain'ireo aho sao dia hosamborin'izy ireo ihany koa…"
Nipetraka teo anilan'ireo fahavalon'ny Tompony i Petera. Niara-namindro teo anilan'ny afo teo an-tokontany tamin'ireo izy. Mety ve io toerana io? Iray amin'ny mpianatr'i Jesoa miaraka amin'ireo tena nankahala Azy?
Mpanompovavy 1: "Ee, Fantatro ny tarehinao! Tsy niaraka tamin'i Jesoa koa va ianao?"
Pierre: "Avy taiza no nahazoanao izany hevitra izany, tsy fantatro akory izay lazainao."
Mpanompovavy 2: "Jereo, niaraka tamin'io Jesoa io izy."
Petera: "Tsy marina izany, tsy fantatro akory io lehilahy io."
Mpanompolahy: "Na iza na iza afaka miteny izany. Azo antoka fa niaraka tamin'i Jesoa ianao satria ny fiteninao no hamantaranay izany."
Petera: "Ajanony izany! Tsy mitombina izany, tsy mahalala izany Jesoa izany aho." (feon'akoholahy maneno)
Tohina, nijery nanodidina azy i Petera. Tamin'io fotoana io no nalaina i Jesoa. Rehefa nandalo Izy dia nijery an'i Petera tamin'alahelo. Nanohina ny fon'i Petera izany fijery izany. Tena tsaroan'i Petera izay nolazain'i Jesoa taminy ora vitsivitsy talohan'izay.
Nandà an'i Jesoa i Petera. Ary tena nanenina izy. Dia nivoaka izy ka nitomany mafy.
Fantany ve anefa fa mbola tia azy foana i Jesoa?
Mpandray anjara: Mpitantara, Jesoa, Petera, mpanompovavy roa, mpanompolahy
© Zon'ny mpamorona: CEF Allemagne