Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 096 (My parents are separated)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

96. Nisaraka ny ray aman-dreniko


Ankizivavy: "Tena tsara be izany lalao izany!"

Ankizilahy: "Nandresy tamin'ny fanontaniana izahay!"

Ankizivavy: "Tia sehoseho koa an!"

Faly ireo ankizy nifanao veloma taorian'ny vondron'ny tanora, afatsy i Steffi.

Mpitantara: "Steffi, inona no tsy mety, toa hafahfa ianao nadritra ny fotana maharitra izao. Tsy salama ve ianao?"

Steffi: "Tena mahonena sy mampalahelo ny zava-drehetra. Tsy eo intsony ny raiko. Lasa nandeha izy irery, tsy niaraka tamiko sy ny rahavaviko. Nilaza i mama fa manana sipa izy. Tiany mihoatra noho ny fitiavany anay izy."

Mpitantara: "Tsy maintsy mampivarahontsana ho anao izany, fantatro hoe manao ahoana izany hoe misaraka ny ray aman-dreny."

Steffi: "Tena mahonena sy mampalahelo izahay hatramin'ny nandaozany anay."

Mpitantara: "Nahatsiaro tena ho nafoy ianao, sa tsy izany?"

Steffi: "Halako izy, nampalaviriny anay ny raiko. Mihevitra ve ianao fa tsy hiverina intsony izy? Afaka manarina ny zava-drehetra ve i Jesoa?"

Mpitantara: "Tena azoko antoka fa afaka manao izany izy, Steffi. Tiany ny fianakaviana tsirairay mba ho afaka hivoatra ho amin'ny tsaratsara kokoa. Tsy mila izany fisarahana izany izy, saingy misy ny olana."

Steffi: "Inona no olana?"

Mpitantara: "Ny olombelona no olany. Tsy te-hanao izay tiany hataony izy ireo. Aleon'izy ireo mandeha amin'ny làlany manokana ary misara-panambadiana. Mijaly foana ny ankizy rehefa mitranga izany, ka mamela ratra lalina izany."

Steffi: "Maniry mafy aho ny hiverenan'ny raiko sy hiverenan'ny zavatra rehetra toy ny teo taloha."

Mpitantara: "Hivavaka momba izany aho, ary fantatro fa tian'i Jesoa koa izany. Nefa raha zavatra hafa no mitranga, fantaro fa afaka manasitrana ny ratra rehetra Izy, ry Steffi. Mety haharitra ela izany, ary indraindray dia mety miverina indray ny ratra."

Steffi: "Isaky ny mieritreritra ny raiko aho, dia mitomany."

Mpitantara: "Azoko ilay izy. Jereo, te hampionona anao Jesoa amin'ity andinin-tsoratra masina izay voasoratra eo amin'ity karatra ity. Vakio anie azafady."

Steffi: "Raha mahafoy ahy ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy ny Tompo."

Mpitantara: "Mety handiso fanantenana antsika ny olona ka handao antsika, nefa tsy hanao izany mihitsy i Jesosy. Afaka mitomany miaraka Aminy ianao ary mamboraka ny ao am-ponao eo anatrehany. Tena akaiky anao foana izy. Azonao atao ny mitazona ny karatra, hanampy anao hahatsiaro izany."

Steffi: "Misaotra anao. Azoko atao ve ny miresaka izany aminao tsindraindray?"

Mpitantara: "Mazava ho azy, afaka manokana fotoana ho anao foana aho, ry Steffi."

Steffi: "Tsy maintsy mandeha aho izao. Veloma."

Mpitantara: "Veloma, any aoriana indray isika mihaona. Afaka manoratra amiko ihany koa ianao."


Mpandray anjara: Mpitantara, Steffi, ankizivavy, ankizilahy

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:20 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)