STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 006 (9 to 1) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
6. 9 ka hatramin'ny 1Nandeha an-tongotra lavitra niaraka tamin'i Jesoa Tompo ny mpianatra. Rehefa mamaky Baiboly ianao dia afaka miaraka amin'ireo maneran'ny Israely ihany koa. Nanana tombotsoa manokana ny mpianatra: teo izy ireo tamin'ny nanasitrana ny marary Jesoa, tamin'ny Izy nivavaka tamin'Andriamanitra Rainy izay any an-danitra, tamin'ny nampitoniany ny rivo-doza tamin'ny teny iray. Ao amin'ny filazantsaran'i Lioka, Jesoa mandeha tongotra miaraka amin'ny mpianany tamin'ny làlana be vovoka, ho any amin'ny tànana kely izay eo anelanelan'ny Samaria sy Galilia. Boka: "Jesoa, Tompo, Ampio izahay!" Izany no antsoantson'ny lehilahy miisa folo rehefa nahita an'i Jesoa izy ireo. Rehefa nanakaiky azy ireo ny mpianatra dia hitany fa boka ireo lehilahy folo ireo. Ny habokana dia aretina sarotra manomboka amin'ny fisian'ny tasy eo amin'ny hoditra ary mihitatra hatramin'ny faritra rehetra. Esorina eo anivon'ny fiaraha-monina ny olona boka. Asaina mipetraka any anaty zohy na saha misokatra izy ireo. Tsy mahazo alalana mikasika olona izy ireo. Manilika azy ireo ny olona rehetra, afatsy i Jesoa ihany. Boka: "Jesoa, vonjeo izahay!" Jesoa: "Mandehana, misehoa eny amin'ny mpisorona." Tamin'ny alalan'izany teny izany Jesoa dia nandefa ireo boka folo lahy ho any amin'ilay lehilahy izay mitarika ny asa fanompoana ao amin'ny tempoly, izy ireo ihany koa no manam-pahefana amin'ny resaka ara-pahasalamana. Ny mpisorona irery ihany no afaka manamarina fa sitrana ireo olona ireo. Nandeha avy hatrany izy folo lahy. Teny am-pandehanana, nahatsapa izy ireo: Boka: "Sitrana isika! Nadio indray ny hoditra!" Ny iray tamin'ireo lehilahy ireo dia niverina ary nihazakazaka ho any amin'i Jesoa Tompo. Rehefa tonga teo anatrehany izy dia nandohalika. Boka iray: "Misaotra, Tompo, nositraninao aho dia nahazo fahasalamana. Misaotra indrindra!" Nijery ilay lehilahy nahay nisaotra Jesoa sady gaga no nanontany: Jesoa: "Fa angaha tsy olona folo no nositraniko? Nankaiza ireo sivy hafa? Toa olona iray sisa no miverina misaotra Ahy?" Eny, Iray ihany! Tena iray ihany no tonga nankasitraka. Ary ianao? Inona no antony hisaoranao an'i Jesoa androany? Mpandray anjara: Mpitantara, boka roa, Jesoa © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |