Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 007 (On the winner's side)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

7. Miaraka amin'ny mpandresy


Niady tamin'ny Israelita indray ny Filistinina. Ireo zokin'i Davida no teo amin'ny laharana voalohany. Tsy niady i Davida, fa ny andraikiny dia ny hitondra sakafo ho azy ireo sy hijery ny fomba fanaon'izy ireo. Rehefa tonga tao amin'ny faritra misy ady izy, dia nahita olona tena goavana iray: mihoatra ny 3 metatra ny haavony! Goliata no anarany. Ary izy niteny ratsy sy nanozona ny Isiraely. Ary ny miaramila rehetra dia natahotra azy, ny mpanjaka Saoly ihany koa.

Adinon'izy ireo ve fa mahery noho ny hafa rehetra Andriamanitra?

Goliata: "O Ry Israelita, adala ianareo! Ha, matahotra ianareo! hahaha! Hataoko sakafon'ny vorona ianareo. Tsy afaka hanampy anareo ny Andriamanitrareo. Mahery noho izy aho."

Davida: "Renareo avokoa ve izany zavatra nolazainy izany? Maniratsira an'Andriamanitra izy! Avelantsika hanao izany ve izy?"

Tezitra tamin'io Filistina niavonavona io i Davida. Eo ny fanesoana ny zanak'Israely, saingy zavatra hafa ny maniratsira an'Andriamanitra. Tafahoatra izany ataony izany!

Nankany amin'i Saoly Mpanjaka avy hatrany i Davida, ary nilaza taminy fa hiady amin'i Goliata goavam-be izy.

Tena matotra i Davida. Ny tehin'ny mpiandry ondry sy ny antsamotady no eny aminy; dia nandeha niatrika an'i Goliata izy.

Andriamanitra no mahery indrindra, Izy no nanome azy ny herim-po hanao izany.

Maro tamin'ireo miaramila no tsy nino rehefa nahita ilay mpiandry ondry kely; nihazona ny fofonainy izy ireo eo am-piandrasana ny zavatra hitranga.

Nanakaiky kokoa i Goliata.

Goliata: "Alika ve aho no tonga hanatona ahy amin'ny tehina ianao? Mino ve ianao fa hiaro anao ny Andriamanitrao? Hahaha. Izaho mahery noho izy, Hovonoiko ianao!"

Davida: "Manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ianao. Izaho manatona anao amin'ny anaran'Andriamanitra Tsitoha, Izay nozoninao. Izy no mahery noho ianao! Izaho no handresy anao, ary izao tontolo izao dia hahita fa ny Isiraely manompo Andriamanitra velona."

Davida nandray ny antsamotadiny, dia nahodiny teo ambonin'ny lohany, dia nanipy vato.

(feon'ny antsamotady)

Goliata: "Ooooooooooooo!" (feo fahavoazana)

Namely an'ilay goavam-be avy hatrany teo amin'ny lohany ilay vato teo amin'ny antsamotadin'i Davida! Nianjera tamin'ny tany izy, dia maty.

Nilaina ve ny fanozona an'Andriamanitra nataon'i Goliata? Iza no tena matanjaka? Andriamanitra no Mahery Indrindra!


Mpandray anjara: Mpitantara, Goliata, Davida

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on February 26, 2025, at 11:07 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)