Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 011 (Jesus is born)
11. Teraka Jesoa
(Feon'ny dian-tongotra)
Iraky ny mpanjaka: "Ry vahoakan'ny Nazareta! Avia ary henoy ny didin'ny Mpanjaka! Hisy fanisam-bahoaka. Ny olom-pirenenena tsirairay dia asaina miverina any amin'ny tanàna niaviany mba hisaina.
Azo antoka fa tsy vaovao tsara izany, saingy rehefa voasoratra anarana ianao dia afaka miverina eto. Aoka hanaja ny lalàna ny tsirairay!
Tsarovy tsara fa hentitra ny mpanjaka."
Nisahotaka be ny tanàna manontolo tao Nazareta. Tezitra ny ankamaroan'ny olona. Ny didin'ny mpanjaka dia tsy nifanaraka tamin'ny fikasan'izy ireo, fa tena tao anatin'ny fikasan'Andriamanitra.
Na i Josefa sy i Maria aza dia tsy maintsy niomana ho amin'izany dia lavitra izany. Taranak'i Davida Mpanjaka i Josefa, ka voatery niverina tany Betlehema, tanàna niaviany. Mety ho nahafinaritra ny dia, saingy tsy ho toy izany rehefa tsy maintsy mandeha tongotra 170 kilaometatra ianao!
Ho an'i Maria manokana, tena sarotra ny dia satria bevohoka ny zanany voalohany izy. Efa fantany fa ho renin'ny Zanak'Andriamanitra izy, satria nisy anjely nilaza izany taminy sy tamin'i Josefa.
Jesoa, Mpamonjy izao tontolo izao: izany no planina tonga lafatra nataon'Andriamanitra.
Toa ohatry ny tsy ho tapitra ny dia nankany Betlehema. Efa nandeha nandritry ny dimy andro izy ireo. Tsy nanao izao ho an'ny tenany mihitsy i Josefa sy Maria. Ity dia ity dia tena ao anatin'ny planin'Andriamanitra, ary izany no nahatonga azy ireo nankatoa.
Diso fanantenana tanteraka izy ireo rehefa tonga tao Betlehema.
Tompon'ny tranom-bahiny: "Tsy misy malalaka intsony. Feno avokoa ny efitrano rehetra. Mandehàna mijery any an-kafa. Mandehàna fa tsy misy toerana ho anareo ato."
Tamin'izay naleha rehetra dia nikatona teo anoloan'izy ireo ny varavarana.
Tamin'ny farany dia nahita toerana tao amin'ny tranon'omby izy ireo.
Ilay tranon'omby ao amin'ny planin'Andriamanitra...
Ary tamin'ny misasakalina, dia nisy fahagagana nitranga.
Teraka Jesoa. Maria nandray an'i Jesoa, dia nohodidininy lamban-jaza ary nampandriany teo am-pihinanam-bilona. Tanteraka ny planin'Andriamanitra.
Efa 700 taona talohan'izany no nilazan'Andriamanitra fa ho teraka ao Betlehema ny Mesia.
Tena tia an'izao tontolo izao Andriamanitra ka nanatanteraka ny planiny ary nanome ny Zanany ho antsika.
Mpandray anjara: Mpitantara, iraky ny mpanjaka, tompon'ny tranom-bahiny
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina