STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 126 (So close – and yet so far)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

126. Tena akaiky nefa tena lavitra


Lehilahy: "Raha mba nanana an'io aho... mbola misy zavatra tsy ampy amiko. Ahoana no ahazoako azy?"

Nisy zavatra tsy ampy teo amin'ny fiainan'ilay tovolahy. Tsy nisy nahatsikaritra anefa ny rehetra. Toa mety izy. Nahomby izy teo amin'ny fiainana. Tsara tarehy sady nanan-karena izy.

Nisy zavatra tsy ampy anefa tao aminy. Fantany tsara izany. Misy zavatra tsy ampy ihany koa ve eo amin'ny fiainanao? Tsy nampilamina azy izany. Ahoana no fomba hahazoany izany? Azo antoka fa fantatr'i Jesoa ny valiny.

Lehilahy: "Mpampianatra tsara ô, inona no tokony ataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay?"

Izay ilay tsy ampy tao aminy! Ny fiainana mandrakizay dia manomboka amin'ny finoana an'i Jesoa ary mitohy any an-danitra aorian'ny fahafatesana. Naniry izany izy.

Jesoa: "Raha tianao ny fiainana mandrakizay, dia tandremo ny didiko: aza mangalatra, aza mijangajanga, aza mandainga, aza mamono olona, manajà ny rainao sy ny reninao."

Lehilahy: "Efa nitandrina ireo didy ireo aho nandritra ny androm-piainako."

Afaka manome valiny mitovy amin'izany ve ianao?

Jesoa: "Amidio ny fanananao rehetra, ka zarao amin'ny mahantra ny vola. Ary avia hanaraka Ahy."

Rehefa nandre izany ilay tovolahy mpanankarena, dia tohina, satria nanan-karena be izy. Dia niala tamin'alahelo izy. Ny vola, aminy no zava-dehibe indrindra mihoatra no noho Jesoa sy ny fiainana mandrakizay.

Ankizivavy: "Azo atao ve hoe sady manankarena no manaraka an'i Jesoa?"

Tena azo atao. Ny fanontaniana dia hoe: inona no laharam-pahamehana? Andeha isika hanao fanandramana.

Ankizivavy: "Ampiasaina amin'inona ny labozia?"

Ampitahaiko amin'i Jesoa izay fahazavan'izao tontolo izao ny labozia.

Zazalahy: "Afaka mandrehitra azy ve aho?" (Feon'ny fandrehetana afokasika)

Ankizivavy: "Tena mahafinaritra ny famirapiratany."

Inona no mitranga raha mametraka vola taratasy 100 € eo anoloan'ny labozia aho?

Ankizivavy: "Izany hoe, manafina ny hazavana ilay vola taratasy."

Zazalahy: "Azoko izany! Ny vola no nahazo ny toerana voalohany teo amin'ny fiainan'ilay tovolahy mpanankarena, ary Jesoa no nahazo ny toerana faharoa."

Ankizivavy: "Ny vola no nampisaraka azy tamin'i Jesoa."

Mety ho hafa no fiafaran'izany. Izao indray dia napetrako tao ambadiky ny labozia ilay vola taratasy.

Zazalahy: "Jesoa izao no tonga aloha ary nohazavaina ilay vola taratasy."

Hitanao ve ny maha zava-dehibe ny filaharan'ny laharam-pahamehana? Teo amin'ny fiainan'ilay tovolahy mpanankarena, ny vola no naka ny toerana voalohany. Noho izany, dia mety tsy nahazo ny fiainana mandrakizay izy.

Mampalahelo ny niafaran'ny tantarany.

Mirary anao aho mba hiaina tantara mahafinaritra miaraka amin'i Jesoa. Ankehitriny dia afaka manontany tena ianao raha misy zavatra eo amin'ny fiainanao mialoha an'i Jesoa.


Mpandray anjara: Mpitantara, lehilahy, Jesoa, ankizivavy, zazalahy

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 03:55 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)