Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 101 (Well-hidden 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

101. Tsara fiafenana 1


Faly èry i Patrick rehefa tonga teo amin'ireo vondrona ankizy. Tokony ho nihomehy mihitsy angamba izahay rehefa niteny izy hoe: nahazo zaza aho!

Efa ela izay tany Egypta, Faly éry ihany koa i Miriama nahazo zandry lahy kely! Nahafatifaty kely izy! Tsy maintsy nanafina azy ny reniny noho ny didy mahatahotra nataon'ny Farao:

Farao: "Mihamaro hatrany ny vahoakan'ny Isiraely, matahotra izany aho sao dia lasa fahavalontsika izy ireo. Ity àry misy didy ho an'ny vahoakako. Isaky ny misy vehivavy israelita teraka ka zazalahy, tsy maitsy atsipinareo ao amin'ny ranon'i Neily izy."

Baiko mahatsiravina hamono olona! Tsy ampy ve izany hoe efa nataon'i Farao ho andevony ny israelita? Saingy nanana fahatokisana an'Andriamanitra ny ray aman-drenin'ilay zaza dia nafenin'izy ireo nandritra ny telo volana ny zanany lahy. Ilay tànan'Andriamanitra tsy hita maso no niaro ny zaza. Arakaraka ny nitomboana anefa, tsy afaka ny hanafina azy maharitra intsony izy ireo.

Miriama: "Mama o, ataonao inona ireo bararata ireo?"

Reny: "Mandrary harona aho. Inty àry, ny sarony indray izao. Afaka omeonao ahy ve ilay fitoeran'ny tara, azafady?"

Miriama: "Fa maninona ianao no mila an'ity?"

Reny: "Mba hahatonga ilay harona tsy ho tantera-drano. Miriama o, tsy maintsy atao lavitra antsika io harena sarobidintsika io."

Miriama: "Inona no ataonao azy?"

Reny: "Hataoko ao anaty harona izy dia hapetrako eo ambony ahitra eo amorodranon'ny Neily."

Miriama: "Dia maninona?"

Reny: "Amin'izay isika dia tsy maintsy miandry sy mahita hoe ahoana no fomba hametrahan'Andriamanitra ilay tànany tsy hita maso mba hiarovana azy."

Nizotra nangina hankeny amin'ny renirano izy ireo. Tsy mora ho an'ilay reniny, saingy nataony izany satria nametraka ny fahatokisany tamin'Andriamanitra Izy ary koa tiany ny zanany.

Reny: "Miriama a, miafena ao ambadiky ny bararata ianao ary miambena amin'izay zavatra mety hitranga, tsy tokony ho hita eto aho, noho izany hody any an-trano aho."

Rehefa injay dia nisy olona tonga. Ny zanakavavin'ny Farao sy ireo mpanompony no tonga handro ao amin'ny Neily.

Zanakavavin'ny mpanjaka: "Fa inona io? Ho ento aty amiko io harona tsara kely io."

Nidobodoboka mafy ny fon'i Miriam. Hatsipin'ny zanakavavin'ny Farao ao Neily ve ilay anadahiny? (feon-jazakely mitomany)

Zanakavavin'ny mpanjaka: "Zazalahy israelita ity, tena mampalahelo ahy izy."

Nivoaka avy tao anaty fiafenany i Miriama.

Miriama: "Tokony hitady vehivavy izay afaka manome sakafo ny zaza ve?"

Zanakavavin'ny mpanjaka: "Hevitra tsara izany. Ataovy àry."

Azonao an-tsaina tsara angamba hoe iza no reny nalain'i Miriama. Afaka nahita indray ilay zanany ny renin'ilay zaza sady nahazo alalana hikarakara azy izy mandritra ny taona vitsivitsy. Nisaotra an'Andriamanitra tamin'ny fony manontolo izy ireo, noho ilay tànan'Andriamanitra tsy hita maso izay niaro azy ireo tamin'ny fomba mahagaga. Tena marina fa niaro anao matetika Andriamanitra, sa tsy izany? Afaka maka fotoana ianao izao mba hisaotra Azy noho ny fiaravony.


Mpandray anjara: Mpitantara, Farao, Miriama, ny reny, ny zanakavavin'ny Farao

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaine

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:02 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)