Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 090 (The angry teacher 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

90. Ilay mpampianatra tezitra 2


Battou: "Haingana ry Ringo, mandehana haingana ianao! Afaka manao izany ianao!"

Narary mafy loatra azy ny tongony. Saingy naniry mafy izy ny handresy tamin'ny fifaninana hazakazaka omby. Nihazona mafy ny fehy fitazonana izy, nihazakazaka haingana kokoa, ary nihoatra ireo sarety maro hafa. Fotoana fohy mialoha ny tsipika fahatongavana, dia nahavita ny hazakazaka voalohany izy.

Battou: "Nandresy izy! Nandresy tamin'ny hazakazaka i Ringo!"

Nitsambikina noho ny hafaliana i Battou. Ny rainy kosa tena nirehareha tamin'izay nataony.

Mamirapiratry ny fifaliana tahaka ireny haingom-boninkazo atao eny amin'ny vozon'ny ombiny ireny ny tarehiny. Niaritra ny fanaintainana tamim-pahasahiana izy. Saingy nony tao an-trano, niharatsy ny toe-pahasalaman'ny tongony. Ory izy noho ny faniantainany. Narary an-doha be sady voan'ny tazo i Ringo.

Ny reniny: "Matoria eo amin'ny lavarangana fidirana Ringo a. Jereo anie, tonga eto amin'ny tanànantsika ny vahiny fotsy hoditra sy i Pandou."

Ringo: "Fantatro izy, fa ilay Andriamanitra tsara naniraka ny Zanany ho amin'izao tontolo izao foana no resahiny."

Sahib Grubb: "Miarahaba o, hampiseho sary vitsivitsy eo amin'ny lavaka fantsakana izahay. Asaina ihany koa ianareo. Te ho avy ve ianareo?"

Ny reniny: "Miala tsiny izahay, satria tsy afaka. Marary mafy ny zanakay lahy. Tsy afaka nanampy azy ny mpamosavy. Afaka manampy anay ve ianao?"

Maro ireo olona nijery teo rehefa nandinika ny tongotr'i Ringo ilay vahiny.

Sahib Grubb: "Eny, afaka manampy anao izahay, mila lovia jobo feno rano mafana fotsiny aho. Mandrotsaka kely amin'ity vovoka ity aho, dia levona ao io. Tsara izany, mety ihany koa ny mari-panan‘ ny rano. Ringo, apetraho ao anaty rano ny tongotrao. Ity fanafody ity dia manasitrana ny tongotrao. "

Ringo: "Ny tongotro rehetra ve?"

Sahib Grubb: "Mazava ho azy. Aza matahotra, hivavaka ho anao aho. Jesoa Tompo ô, afaka manao ny zavatra rehetra ianao. Mba miangavy re, sitrano ny tongotr'i Ringo ary arovy ity tokantrano ity. Amena."

Tena nanampy tokoa ny fitsaboana sy ny vavaka. Fotoana fohy taorian'izay, niverina an-tsekoly i Ringo. Nitondra ny taratasy nomen'ilay misiônera Sahib Grubb azy izy. Tsy tian'ilay mpampianatra mihitsy ilay izy.

Mpampianatra: "Tena tsy misy dikany izany! Miresaka momba ny Andriamanitry ny Kristiana ity taratasy ity. Tsy mino izany isika Indiana. Aza maka taratasy toy izao avy amin'ny olona hafa intsony ianao. Azonao izany?"

Naforiporitra teo an-tanany ilay taratasy ary natsipiny teo amin'ny zoron-trano. Marani-tsaina anefa i Ringo. Tamin'io andro io, izy no farany niala tamin'ny sekoly, ary azoko antoka fa afaka maminavina izay nafeniny tao amin'ny fehilohany ianao.

Ringo: "Battou, tiako ny hahafantatra bebe kokoa momba ny Andriamanitry ny Kristianina."

Battou: "Adinonao ve izay nolazain'ny mpampianatra antsika? Raha tsy mihaino izany ianao, dia hohanin'ny fanahy ratsy."

Ringo: "Tsy nihinana an'i Sahib izy ireo. Tehiriziko ity taratasy ity."

Battou: "Matahotra aho."

Taorian'izay dia nisy mpitsidika tonga tao amin'ilay tanàna kely iray tany Inde. Holazaiko aminao ny momba izany rehetra izany amin'ny tantara manaraka.


Mpandray anjara: Mpitantara, Ringo, Battou, ny reniny, Sahib Grubb, mpampianatra

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:08 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)