STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 042 (TiFam, daughter of the witch doctor 1) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
42. TiFam, zanaka mpamosavy 1Niposaka ny masoandro tao ambadiky ny tendrombohitra tany Haiti. Niara-nipetraka tamin'ny ray aman-dreniny tao anaty trano bongo kely vita amin'ny tanimanga i TiFam. Tena nahantra izy ireo ary natahotra mandrakariva ny fanahy ratsy. Tsy nahalala na inona na inona momba an'ilay tena Andriamanitra tia azy izy ireo, izay nilaza hoe: "Aza matahotra, fa momba anao Aho." Nifoha maraina ny rain'i TiFam, ilay mpamosavy Orestil, ary ny reniny kosa nanadio sy niasa teny an-tsaha. Matetika i TiFam no manampy azy. Reniny: "TiFam, handeha hihady ny vomanga isika ary hitondra azy ireo eny an-tsena rahampitso. Mandehana manapaka ravin'akondro mba hahafahako mametraka azy ao anaty harona." TiFam: "Raha manao izany ve aho, dia afaka mahazo ny akanjo vaovao nampanantenainao ahy?" Reniny: "Ho hitantsika eo." Nandray ilay antsibe i TiFam ka lasa nankany amin'ny fambolena akondro. Rehefa izany, dia nahita ilay namany izy nihazakazaka nanatona azy teny an-tsaha. Marie: "TiFam! TiFam!" TiFam: "Marie! Rahampitso aho dia hahazo akanjo vaovao izay misy soratra eo amboniny." Marie: "Soratra? Ianao àry tsy afaka mamaky teny akory. Hianatra hamaky teny aho ary hividy zavatra hafa." TiFam: "Hividy ody fiaro vaovao avy amin'ny raiko ve ianao mba hiarovana ny tenanao?" Marie: "Tsia, tsy manao ody intsony aho. Lasa kristianina izahay ary handeha hividy Baiboly." TiFam: "Marie, adala ianao! Tsy tian'ny fanahy ratsy mihitsy izany. Harary ianao." Marie: "TiFam, tsy matahotra intsony aho. Jesoa dia mahery noho ny fanahy ratsy. Ary hoy izy: Aza matahotra, fa momba anao Aho. Novakin'i Victor taminay tao amin'ny Baiboly izany." TiFam: "Lainga daholo izany, tsy misy afa-tsy lainga." Nitazona mafy ny ody fiaro i TiFam sady nandositra. TiFam: "Neny o, tsy manao ody fiaro intsony i Marie satria lasa kristianina ry zareo." Ny kristiana dia olona izay an'i Jesoa, ary noho izany antony izany dia tsy misy ifandraisan'izy ireo intsony amin'ny ody fiaro, ny vintana, ny tonon'andro na ny finoanoam-poana. Andriamanitra dia niteny tao amin'ny Teniny fa tena ratsy ireny zavatra ireny, ary Izy no nandrara ireny.Miantehitra amin'ireny karazan-javatra ireny ve ianao sa hisafidy ny hatoky an'i Jesoa? Izy irery ihany no afaka miaro sy manampy anao. Izao indrindra no ambarany aminao: Aza matahotra, fa momba anao Aho. Tsy fantatr'i TiFam fa afaka mivavaka amin'i Jesoa isika. Niaina tao anatin'ny tahotra hatrany izy. Rehefa fantatr'i Orestil ilay mpamosavy fa lasa Kristianina i Maria sy ny ray aman-dreniny, dia mihamaloka ny tarehiny ary avy eo... Amin'ny manaraka dia ho hitanao ny tohin'ity tantara marina ity. Mpandray anjara: Mpitantara, TiFam, reniny, Marie © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |