Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 021 (Sin begins little by little 6)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

21. Manomboka tsikelikely ny fahotàna 6


Nihodinkodina tao amin'ny lapany i Ahaba Mpanjaka. Niondrika teo amin'ny varavarankely indray izy sady nifaly nijery ny tanimboaloboka.

Ahaba: "Tsy maintsy raisiko io tanimboaloboka eto akaikin'ny lapako io. Afaka hanamboarako zaridaina mahafinaritra io sady mety hamboleko laisoa mihitsy aza."

Dia lasa izy nankany amin'ny tompony.

Ahaba: "Ry Nabota, amidio amiko ny tanim-boalobokao."

Nabota: "Tena tsy mety! Ity ampahan'ny tany ity dia lovan'ny razako. Tsy mahazo mivarotra lova izahay, fa izany no lalàn'Andriamanitra."

Tsy nanao veloma azy akory i Ahaba fa lasa nody tany an-tranony. Nalahelo sy tezitra izy ka niantoraka teo am-pandriany!

Mba miidongy ihany koa ve ianao indraindray rehefa tsy mahazo izay tianao?

Tezitra be i Ahaba ka nitodika nankany amin'ny rindrina.

Jezebela: "Inona no olana mahazo anao?"

Rehefa ren'i Jezebela izay zavatra nanorisory azy, dia hoy izy:

Jezebela: "Mitsangàna, ka mifalia. Hataoko izay rehetra azoko atao mba hahazoanao izay tadiavinao."

Ary ny vadin'ny mpanjaka dia nanoratra taratasy ho any amin'ny mpanolo-tsaina ao an-tanàna, tamin'ny anaran'ny mpanjaka, ka nasiany tombo-kase izany.

Toy izao no voasoratra tao: "Manomana fety dia asao i Nabota. Dia ampangao izy ka lazao hoe: efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao; noho izany dia tsy maintsy faty ianao."

Tena izay mihitsy no nitranga. Nanaiky tsy am-pisalasalana ilay fanasana i Nabota, maty ny hariv'iny tokoa izy...

Tsy mahatsiravina ve hoe ilay fahotana kely dia mivadika loza be toy izany?

Mahita-maniry-mitsriritra-manana ambom-po-tezitra-mandainga-ary avy eo mamono olona!

Niely haingana be ny vaovao momba ny nahafatesan'i Nabota. Dia lasa Ahaba mpanjaka naka ny tanim-boaloboka ho azy. Nanao izay nataony izy saingy tsy voakajiny ny an'Andriamanitra. Tampoka teo dia nahita an'i Elia nijoro teo anatrehany izy. Lasa fotsy toy ny matoatoa i Ahaba.

Ahaba: "Ha, hitanao izany aho izao, ry fahavaloko?"

Elia: "Eny, tratrako ianao. Nivarotra ny tenanao tamin'ny fahotana ianao ary namela izany hitombo tao am-ponao. Mankahala ota Andriamanitra ka dia haringany ianao sy ny fianakavianao."

Nisaintsaina izany teny izany im-betsaka ny mpanjaka. Nanenina tamin'izay rehetra nataony izy.

Hitan'Andriamanitra ny fony ary namindra fo taminy izy.

Rehefa miaiky ny fahotantsika amin'i Jesoa Tompo isika dia mahatoky Izy ary mamela ny fahotantsika.


Mpandray anjara: Mpitantara, Ahaba, Nabota, Jezebela, Elia

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 05, 2025, at 03:56 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)