Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 166 (Must Terry die 4)
166. Tokony ho faty ve i Terry 4
Philippe: "Ruth, mihevitra ve ianao hoe ho faty i Terry?"
Ruth: "Tsia. Nivavaka aho mba hanasitrana azy i Jesoa."
Philippe: "Izaho koa dia nanao izany, nefa tsy fantatro raha nihaino ahy i Jesoa."
Ruth: "Raha anisan'ny ondrin'Ilay Mpiandry Tsara ianao, dia mihaino anao mandrakariva Izy."
Philippe: "Ahoana no atao amin'izany?"
Ruth: "Lazao Aminy fa te ho Azy ianao."
Nasehon'i Ruth tamin'ny anadahiny ny sarin'ilay Mpiandry ondry tsara nomen'ny pasitera azy.
Nobanjinin'i Philippe nandritra ny fotoana maharitra ilay izy.
Philippe: "Eny, te-hanao aho, azafady avelao irery aho."
Tsy ela taorian'izay, hita tamin'ny tarehiny miramirana fa efa an'i Jesoa izy izao. Ary ny taratasy avy amin'i Terry dia nampifaly azy mianadahy:
"Ry Philippe malala, ry Ruth malala, tsy any amin'ny hopitaly intsony aho. Raha sitrakareo, tongava mitsidika ahy. Mipetraka ao amin'ny trano bongo vita amin'ny hazo eo amoron-drano aho, any anaty ala. I Terry-nareo."
Trano bongo vita amin'ny hazo eo amoron'ny renirano? Mipetraka tao amin'ity trano bongo efa simba be ity ve ny naman'izy ireo?
Nandondona moramora ny varavarana i Philippe. (Feno mandondòna eo am-baravarana)
Neny: "Inona no tadiavinareo?"
Ruth: "I Terry no nanasa anay."
Neny: "Ianareo ve ireo ankizy niaraka tamin'i Terry tamin'ny nahavoa azy? Mandrosoa."
Tsy nihetsika teo am-pandriany i Terry. Tena mahia sy hatsatra izy. Nitomany izy rehefa nahita ny namany roa. Tsy fantatr'i Philippe sy i Ruth izay horesahina.
Toa mampalahelo sy manempotra ny efitranony.
Nijaly mafy i Terry. Dite iray kaopy sy tapa-mofo kely no natao sakafo atoandrony. Tsy nieritreritra mihitsy i Philippe sy i Ruth hoe mahantra be tahaka izao i Terry.
Rehefa tonga tao an-trano, dia notantarain'izy ireo tamin'ny nenitoany Margaret ny zava-drehetra ary nanapa-kevitra ny hamangy an'i Terry isan'andro izy ireo.
Philippe: "Ho entiko ho azy ny rakin-kira misy ny sarin'ny ala."
Ruth: "Izaho kosa hitondra paoma iray kitapo ho azy, miaraka amin'ny Baiboly sy ny tantaran'ny Mpiandry ondry tsara."
Philippe: "Homentsika ny reniny ny 4 € avy amin'ny boatin-drakitra mba hividianany ronono ho an'i Terry."
Ruth: "Tsy ampy ve ny 2 €?"
Philippe: "Hoentintsika miaraka amintsika izany rehetra izany, ary hanapa-kevitra isika rehefa eny an-dalana."
Ary izany indrindra no nataon'izy ireo.
Fantatrao ve hoe iza no nifanena tamin'izy ireo teny an-dalana teo afovoan'ny ala?
Ho hitanao ao amin'ny tantara manaraka izany.
Mpandray anjara: Mpitantara, Philippe, Ruth, neny
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina