STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 109 (Who is the thief)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

109. Iza no mpangalatra


Eo am-pisakafoanana atoandro ny fianakaviana Vao tonga avy any am-pianarana mihitsy i Lisa sy i Félix. Samy nanana zavatra maro ny tsirairay. Tena tezitra be anefa ny renin'izy ireo tamin'izay andro izay. Tampoka teo, nametraka fanontaniana tsy mahafinaritra izy.

Reny: "Tena hafahafa: omaly maraina, mbola nanana nihoatra ny 20 € (100.000 Ariary) aho tao anaty poketrako; amin'izao anefa tokony handoa vola tao amin'ny tsenakely dia tsy afaka satria nanjavona tao ilay vola. Nisy iray taminareo ve naka ilay vola? Iana ove ry Félix? sa ianao ry Lisa?"

Félix: "Mama o, izahay anie tsy mpangalatra e."

Lisa: "Azo antoka, fa tsy naka ny volanao izahay."

Reny: "Mahagaga izany, manontany tena aho hoe lasa aiza àry ilay vola..."

Rehefa avy nandamina izay teo ambony latabatra dia lasa i Félix sy i Lisa nanao ny entimody. Ratsy anefa ny tao amin'ny feon'ny fieritreretan'i Lisa. Tsy nahazo aina mihitsy i Lisa, satria izy no naka ilay vola tao amin'ny poketran'ny reniny.

Lisa: "Raha tsy nangalariko izao ilay vola an. Fa naninona anefa i Mama no tsy nanome ahy mba hividianako kavina vaovao? Tsy tena nangalatra kosa aho an. Nindramiko fotsiny iny. Averiko aminy iny vola iny indray andro any."

Tsy afaka nampitony ny feon'ny fieritreretany anefa izany hevitra izany.

Vao tsy ela akory, no noresahana tao amin'ireo vondron'ankizy tao am-piangonana ny momba ny halatra. Milaza ny Baiboly fa fahotàna ny halatra. Ary ny fahotàntsika dia tahaka ny rindrina. Mampisaraka izany. Tena tsapan'i Lisa mazava izany. Hatramin'ny nangalany ilay vola dia nisy rindrindra teo anelanelan'izy sy ny reniny. Ary nipetraka eo anelanelan'izy sy i Jesoa ihany koa izany.

Tsy manana fialan-tsiny i Lisa. Ary ilay izy mbola nandainga tamin'ny ora fisakafoanana mbola nampaharatsy ny zavatra rehetra.

Tsy nisy fifaliana mihitsy tao am-pony nandritra iny andro iny. Tsy nahatsiaro sambatra akory izy noho ireo kavina izay nafeniny tao ambany fandrianany. Rehefa iny handeha hatory iny izy ny alin'iny dia nanomboka nitomany.

Reny: "Lisa, inona no mitranga?"

Lisa: "Izaho no nangalatra ny volanao. Ary amin'izao azoko antoka fa tsy tia ahy intsony ianao."

Reny: "Tsy rariny mihitsy ny nanao izany, kanefa tsara ilay nanananao herim-po hilaza izany amiko. Mamela ny helokao aho. Afaka honeranao amin'ny vola tahirinao ny 20 € (100.000 Ariary). Te hangataka famelan-keloka avy amin'i Jesoa ihany koa ve ianao?"

Lisa: "Eny, Jesoa Tompo o, miala tsiny aho fa nangala-bola. Miangavy anao, mamelà ahy. Misaotra amin'ny fitiavanao."

Nisy vesatra lehibe niala teo an-tsorok'i Lisa. Nahatsiaro sambatra indray izy. Ary ny tsara indrindra amin' izany rehetra izany: mbola tia azy hatrany Jesoa sy ny reniny.


Mpandray anjara: Mpitantara, reny, Lisa, Félix

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:19 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)