STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 110 (Only 8 and already King)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

110. Efa mpanjaka tamin'ny faha-valotaonany


(feon'ny korontana)

Indray andro, nisy niray tetika hamono ny mpanjaka Amona.

Mahatoky sy azo antoka no dikan'ny anarany, saingy tsy tahaka izany izy. Indrindra manolona an'Andriamanitra. Miankohoka amin'ireo sampy vita amin'ny hazo sy vato ireny izy. Ny fivavahana amin'ny sampy dia tena faniratsirana mahatahotra atao amin'Andriamanitra.

Mpanompo: "Andao hovonointsika izy! Ao an'efitra fatoriany izy."

(feon'ny fisokafan'ny varavarana, tabataba, kiakiaka)

Maty novonoin'ireo mpanompony ihany ny mpanjaka Amona. Ny zananyarak'izany no lasa mpanjaka vaovao.

Efa naheno momba an'i Josia ve ianao? Tonga mpanjaka izy vao 8 taona monja.

Nanirantisra an'Andriamanitra tahaka ny rainy ve izy? Sa tena tia an'Andriamanitra tokoa izy?

Ny fomba famaritan'ny Baiboly ny fiainany dia tena mahagaga: Nanao izay tsara teo anatrehan'Andriamanitra i Josia. Marina aminao ihany ko ave izany? Mety ho maotera eo amin'ny fiainanao ihany koa izany satria Mamela heloka antsika amin'izay rehefa tsy ankasitrahan'Andriamanitra i Jesoa. Amin'ny fahatsoram-po dia afaka mangataka famelan-keloka avy Aminy ianao. Mihaino anao Izy.

Tia an'Andriamanitra i Josia. Rehefa nitombo izy dia nanapan-kevitra handrava ny sampy rehetra teo amin'ny firenena. Izay rehefa nanafitohina an'Andriamanitra dia rava avokoa.

Mbolamisy zavatra ve eo amin'ny fiainanao mila esorina? Ireo sary ratsy jerenao? Ireo zavatra afeninao ao ambany fandrianao na koa ireo ody vintana izay manafitohina an'Andriamanitra?

Te handamina ny zavatra rehetra amin'ny laoniny i Josia. Nanao an-kitsipo izany satria tiany Andriamanitra.

Josia: "Jereo ity tempoly ity! Toy ny fanariam-pako ilay tranon'Andriamanitra! Tena faniratsirana an'Andriamanitra izao. Mividiana fitaovana fanorenana ary mandehana miasa ianareo!" (tabataban'ny fanorenana)

Mpisorona: "Jereo ity zavatra vao hitako ity. Nahita horonan-taratasy aho tèry amin'ny zoron-trano farany tery. Andeha isika hitondra azy ireto any amin'i Josia mpanjaka."

Ny Tenin'Andriamanitra, ny Baiboly, tavela teny an-joron-trano. Tsy nahagaga raha toa ka tsy nanana ny toerana voalohany teo amin'ny fiainan'izy ireo i Jesoa.

Mpisorona: "Ry Josia mpanjaka, nahita ireto horonan-taratasy ireto izahay tao anaty korotam-bato."

Josia: "Vakio mafy."

Ny mpanjaka dia nihaino izay rehetra ataon'Andriamanitra amin'ireo olona izay tsy tia azy amin'ny fony manontolo. Taitra loatra, tafapetraka tamin'ny tany ny mpanjaka Josia sady nitomany. Tena nahatsiaro diso izy satria ny vahoakany dia naniratsira an'Andriamanitra.

Fotoana vitsy taty aoriana, Niteny taminy Andriamanitra:

Feon'Andriamanitra: "Hofaiziko ity tànana ity, fa saingy satria tia ahy ianao dia tsy hitsimbina anao Aho."

Nandritra ny fotoam-pivavahana, nanasa ny ankizy sy ny olon-dehibe i Josia hitia an'Andriamanitra sy hanome Azy ny toerana voalohany eo amin'ny fiainany.

Mety ho nanaiky izany fanasana izany ve ianao?


Mpandray anjara: Mpitantara, mpanompo, Josia, mpisorona, Feon'Andriamanitra

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:23 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)