Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 111 (A promise is a promise)
111. Rehefa fampanatenana dia fampanatenana
Fahavalo 1: "Maneke ho resy! Efa eto an-tànanay ianareo."
Fahavalo 2: "Aza miantehitra amin'izay nolazain'ny mpanjakanareo. Mandainga aminareo izy!"
Fahavalo 1: "Sankeriba mpanjakanay no mahery indrindra!"
Fahavalo 2: "Ha, tsy miaramila ianareo fa olona resy lava."
Fahavalo 1: "Ary raha miantehitra amin'Andriamanitra ianareo dia ho efa very ianareo izany."
Nanao fahirano ny tànanan'ny Jerosalema ny fahavalon'ny Asyria tamin'ny alalan'ny miaramila 200 000.
Nangina ireo olona eo amin'ny mandan'ny tànana. Fantatry ny mpanjaka Ezekia fa tsy nanana fahafahana intsony izy. Kanefa manana fitaovam-piadiana izay tsy ananan'ny fahavalo izy sady tsy fantany akory ny momba azy. Fitaovam-piadiana izay mitondra mandrakariva amin'ny fandresena.
Io fitaovam-piadiana io dia tsy ao anatin'ireo lisitry ny fiadian'ny mpanjaka, fa ao am-pony: ny fahatokiany an'Andriamanitra. Izay rehetra manana io fitaovam-piadiana io dia tsy manan-tahotra izay fahavalo.
Iraka avy amin'i Ezekia: "Ry Ezekia mpanjaka, ity misy taratasy avy any amin'i Sankeriba."
Ezekia: "Aza matahotra ianareo. Miandany amintsika Andriamanitra. Matokia Azy!"
Nandray ny taratasy i Ezekia, dia nandeha tao amin'ny tempoly ary nivavaka:
Ezekia: "Tompo o, Andriamanitray Ianao. Ianao Irery no mpanjaka. Vonjeo izahay mba hahitan'ny rehetra fa Andriamanitra velona Ianao."
Ny olona sasany dia mihevitra fa ny finoana an'Andriamanitra dia manamora ny zavatra rehetra. Tsy mampianatra izany mihitsy anefa ny Baiboly. Indraindray anefa dia mamela ny fahasarotana hitranga ihany Andriamanitra. Fitsapany ireny mba hahitana raha tena mahatoky Azy marina isika, ary manampy antsika ihany koa ireny hampitombo izany fahatokiana izany.
Namaly am-pahatokiana Ezekia nanoloana izao fitsapana izao ka nolazain'Andriamanitra hoe:
Izao no nambaran'ny Tompo Andriamanitra: Efa reko ny vavakao. Tsy hahatifitra na dia zana-tsipika iray ato amin'ity tànana ity ny fahavalo.
Marina ve? Na dia zana-tsipika iray ve?
Afaka nanamarina izany ny rehetra ny ampitson'io.
Lehilahy 1: "Jereonareo ity! Resy ny fahavalo!"
Lehilahy 2: "Misy faty eny rehetra eny. Iza no namely ny fahavalo?"
Nolazain'ny Baiboly fa nandefa anjely Andriamanitra nandritra ny alina. Miaramilan'ny fahavalo miisa 185 000 no maty iny alina iny. Arak'izany, tsy hisy zana-tsipika hitifitra ny ao an-tànana arak'izany.
Izay rehetra ampanantenain'Andriamanitra dia tanterahiny.
Afaka matoky Azy tanteraka isika, tahaka izay novakiantsika tao amin'ny Salamo 33 andininy faha 4:
"Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa."
Vakio ny tenin'Andriamanitra ary miantehera aminy. Rehefa izay, dia ho tsapanao fa Ilay Andriamanitr'i Ezekia dia mbola toy izany ihany ankehitriny.
Izay ampanantenain'Andriamanitra dia tanterahiny.
Aza misalasala manoratra aty amiko raha toa ka tsy manana Baiboly ianao. Hahazo iray hatao fanomezana ianao.
Mpandray anjara: Mpitantara, fahavalo anankiroa, Ezekia, iraka vay amin'i Ezekia, lehilahy anankiroa
© Zon'ny mpamorona: CEF Alamaina