STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 085 (The fiery oven miracle 3)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

85. Ilay lafaoro afo mivaivay 3


Nampanao sarivongan'olona goavana lehibe ny mpanjaka. 3 metatra ny sakany ary 30 metatra ny haavony. Tsy misy olona tsy hahita azy io!

Mpitondra hafatry ny mpanjaka: "Mihainoa! Ny didin'ny mpanjaka dia ho an'ny olon-drehetra. Rehefa mandre mozika ianareo, dia miankohofa ka mivavaha amin'ilay sarivongan'olona volamena izay natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka. Saingy na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka amin'ilay sarivongan'olona dia atsipy ao anatin'ilay lafaoro afo mivaivay."

Tsy misy fanontaniana afaka apetraka: ny olon-drehetra dia tonga amin'ny fanokanana. Na dia izany aza, am-pahanginana, nisy lehilahy telo mijanona mitsangana teo anilany.

Tsy tena nahafaly azy ireo ity fanasana ity. Taona maro lasa teo alohan'izao izy ireo no nosamborina sy nentina avy tany aminy tany Isiraely ho any Babylona. Very ny trano fonenany, saingy tsy very kosa ny finoany an'Andriamanitra.

Fantany fa lasa lavitra loatra ny didin'ny mpanjaka. Mivavaka amin'ny sampy: tsy hisy izany!

(feon'ny mozika) Miondrika ny olon-drehetra sady miankohoka manolona ilay sarivongan'olona.

Afatsy ireo mpinamana telo lahy. Nahasarika ny saina izany.

Mpiampanga: "Ry mpanjaka o, namoaka didy ianao fa tsy maintsy mivavaka amin'ilay sarivongan'olona ny olon-drehetra. Misy jiosy telo lahy anefa tsy nankato ny didinao."

Ny mpanjaka: "Ahoana? Tsy mankato ny didiko ve ry zareo? Hoento aty amiko avy hatrany ireo."

(entina eo amin'ny mpanjaka ireo naman'i Daniela)

Ny mpanjaka: "Marina ve fa tsy niankohoka teo anoloan'ny sarivongan'olona volamena ianareo? Omeko fahafahana indray ianareo. Raha mbola mandà ianareo, dia atsipy avy hatrany ao anaty lafaoro misy afo mivaivay. Aza misaina na dia indray mandeha monja aza fa afaka mamonjy anareo ny Andriamanitrareo."

Inona no mety zava-dehibe indrindra ho anao manoloana ny safidy tahaka izany? Ny aina ve sa miotetra mahatoky amin'Andriamanitra? Ireo mpinamana telo lahy dia tsy nila nieritreritra ela momba izay hovaliny.

Ilay naman'i Daniela: "Raha izay no tian'Ilay Andriamanitray, afaka mihitsy Izy mamonjy anay amin'ilay lafaoro misy afo mivaivay. Kanefa na dia tsy manao izany aza Izy dia hitoetra ho mahatoky Azy izahay. Tsy hiankohoka eo anoloan'ny sampy mihitsy izahay."

Tian'Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra ireo lehilahy ireo. Feno fahatezerana Nebokadnezara.

Ny mpanjaka: "Hafanao impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro ary atsipazo ao anaty afo ireo."

Natsipy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay izy ireo. Nahamay loatra ny lafaoro hany ka matin'ny lelafo ireo miaramila izay nanipy azy ireo. Nojeren'ny mpanjaka ny tao anaty afo.

Ny mpanjaka: "Mahita lehilahy efatra aho mandehandeha ao anaty afo ka ny anankiray amin'izy ireo tahaka an' Andriamanitra."

Nasain'ny mpanjaka nosokafana ny varavaran'ny lafaoro.

Ny mpanjaka: "Mivoaha, ry mpanompon' Ilay Andriamanitra mahery indrindra!"

Tsy nisy may na nolalovan'ny afo akory, dia nivoaka avy tao anay lafaoro ireo lehilahy ireo. Tsy nisy singam-bolo nikainkona, na fofon'afo teo amin'ny ankanjony. Namonjy azy ireo tokoa tamin'ny afo Andriamanitra.

Fantatrao ve ity Andriamanitra izay mahay manao zava-mahagaga tahaka izao ity? Mitoera ho mahatoky Azy hatrany na aiza na aiza.


Mpandray anjara: Mpitantara, ny mpitondra hafatry ny mpanjaka, mpiampanga, ny mpanjaka, ilay naman'i Daniela

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:00 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)