STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 086 (Prayer prohibited 4)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

86. Vavaka voarara 4


Naniry ny hampitsahatra ny momba an'i Daniela ireo minisitry ny mpanjaka.

Ministra 1: "Renao ve ny vaovao farany?"

Ministra 2: "Mazava ho azy, i Daniela dia efa ho lasa ilay olona faharoa mahery indrindra manerana ny fanjakana rehetra, tsy maintsy mitady fomba hanakanana izany isika."

Ministra 1: "Tsy ho mora ny manao izany."

Ministra 2: "Hmm… Ahoana raha mahita zavatra mifandray amin'ny fivavahany isika? Mivavaka intelo isan'andro amin'ilay Andriamaniny izy. Afaka mamorona làlana vaovao manohitra izany isika, ka hoentintsika eo amin'ny mpanjaka izany."

Nahoana? Daniela tsy nanao ratsy akory tamin'ireo lehilahy ireo. Andriamanitra dia nanome azy iray amin'ny andraikitra ambony indrindra eo amin'ny firenena. Ary izany no nahatonga ny fihetsika ratsy avy amin'ireo olona hafa: nialona azy izy ireo.

Ministra 1: "Ankehitriny, mandehana haingana eo amin'ny mpanjaka, mety efa manao sonia ilay làlana vaovao izy."

Ministra 2: "Ry mpanjaka Dariosa! Ireo solo-mpanjaka dia nifanaran-kevitra hoe Ianao, ry mpanjaka o, dia tokony hanao sonia làlana vaovao, manao hoe: na zovy na zovy, ao anatin'ny telo-polo andro, manao vavaka fangatahana amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka o, dia hatsipy any an-davaky ny liona izy. Avoahy am-pahibemaso ity làlana ity, mba tsy hisy olona afaka manova azy."

Tsy tonga saina tamin'ity teti-dratsy nomanin'izy ireo ity ny mpanjaka ka dia nosoniaviny ilay làlana vaovao. Saingy ao anatin'ny fiainan'i Daniela dia nanana ny toerana voalohany hatrany Andriamanitra, noho izany raha ho azy manokana, tsy manova zavatra eo amin'ny fiainany izany! Nanohy nivavaka tamin'ny Andriamaniny izy teo amin'ny varavarankeliny ka tsikaritr'ireo fahavalony izany.

Ministra 1: "Ry mpanjaka Dariosa o! Moa tsy misy làlana vaovao nosoniavinao va izay mandrara na iza na iza manao vavaka fangatahana amin'Andriamanitra hafa na olona hafa, afa-tsy aminao ihany."

Mpanjaka: "Eny, tena marina izany."

Ministra 2: "Daniela mbola mivavaka intelo isan'andro amin'ny Andriamaniny. Hitanay mihitsy izy nanao izany. Tokony ho sakafon'ny liona izy vokatr'izany."

Ny mpanjaka: "Daniela ve?"

Tia an'i Daniela ny mpanjaka ka te hiaro azy. Saingy ny làlana dia ambonin'ny zavatra rehetra.

Ny mpanjaka: "Daniela, hanampy anao anie ny Andriamanitrao."

Dia natsipin'izy ireo tao an-davaky ny liona i Daniela. Tsy nahita torimaso ny mpanjaka io alina io. Ny ampitso maraina, nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona izy.

Ny mpanjaka: "Ry Daniela, tena nanampy anao ve ny Andriamanitrao?"

Daniela: "Ry mpanjaka o, ho velona mandrakizay anie ianao! Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona mba tsy handratra ahy."

Faly indrindra ny mpanjaka raha nahita an'i Daniela velona soa am-tsara! Nasainy nakarina avy ao an-davaky izy. Tsy nisy rovitra na ratra hita teo amin'i Daniela. Fahagagana avy amin'Andriamanitra izany! Nomem-boninahitra i Daniela, saingy ireo fahavalony kosa natsipy tao an-davaky ny liona.

Ny mpanjaka: "Manerana ny fanjakako, Ny olon-drehetra dia tsy maintsy manaja sy mangovitra eo anatrehan'ny Andriamanintr'i Daniela, Izy irey ihany no Andriamanitra velona izay mamonjy sy manampy."

Ny finoan'i Daniela dia niteraka vokatra lehibe.

Ilay Andriamanitra velona ihany koa dia manome valisoa anao noho ny finoanao sy ny fahatokianao Azy.


Mpandray anjara: Mpitantara, ministra roa, mpanjaka, Daniela

© Zon'ny mpamorona: CEF Alamaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 05:02 PM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)