Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 040 (The small sailboat)
40. Ilay sambokely
Tonga ihany, ny fialan-tsasatra! Efa ela i Jeff no toa tsy nanam-paharetana niandry izany. Te-hiala sasatra izy ary te-hanana fotoana betsaka hanaovana ny asa-tànana tiany indrindra.
Niasa mafy tamin-kafanam-po nandritra ny andro maro izy hanamboatra sambokely. Nahazo alalana hiasa tao amin'ny toeram-piasan'ny rainy mihitsy aza izy. Ny zavatra farany tokony nataony dia ny mandoko ilay sambo mena sy manga, sy nanantona lamba fotsy teo amin'ireo andry telo. Feno fifaliana anaty erỳ izy nandeha teny amoron-dranomasina niaraka tamin'ny sambokeliny, mba hamela azy hitsingevana eny ambonin'ny onja. Tsy nahatsikaritra anefa izy fa nisy ankizilahy maromaro nijery sady nanakaiky azy.
Ankizilahy: "Ianao ihany angaha no nanambotra an'io? Omeo anay fotsiny ity zavatra ity mba ahafahanay mandefa azy."
Ny anankiray tamin'ireo ankizilahy ireo no nilaza izany taminy.
Raha mbola tsy nahaloabava na teny iray akory izy, dia nisy nanosika azy tany anaty zozoro. Rehefa tafatsangana izy, dia efa najavona ireo jiolahimbotokely ireo, niaraka tamin'ny sambokeliny.
Nody tany an-tranony tamin-dranomaso izy.
Ny rainy: "Hividianako sambokely vaovao ianao."
Jeff: "Ka izao anie Dada! Tiako kokoa ilay namboariko ho ahy iny..."
Afaka herinandro maromaro. Indray andro, nahita sambokely iray tao amin'ny fitaratra fampirantian'ny fivarotana iray i Jeff.
Jeff: "Dada, io ilay sambokeliko!"
Ny rainy: "Azonao antoka ve?"
Jeff: "Eny, azoko antoka. Tsy hitanao ve ny marika eo lohan-tsambo io?"
Nihazakazaka nankany amin'ilay mpivarotra i Jeff.
Jeff: "Tsy anao io sambo io. Ahy io."
Ny dadan'i Jeff dia nanazava ny zava-drehetra tamin'ilay vehivavy izay tena taitra. Rehefa vita ny fanazavany, dia namaly izy hoe:
Vehivavy mpivarotra: "Nividy ity sambo ity tamin'ny ankizilahy maromaro aho. Hanao fifanarahana isika: Hamidiko aminao ny sambo tamin'ny vola izay naloako."
Nanaiky i Jeff ary nandoa tamin'ny vola tao am-paosiny ilay sambo izay izy ihany no nanamboatra azy.
Teny an-dàlana hiverina dia hoy izy:
Jeff: "Ry sambo kely, ahy avy roa heny ianao izao. Voalohany indrindra, izaho no nanamboatra anao, ary faharoa amin'izay, izaho no nanavotra anao."
Ny rainy: "Ianao ihany koa ve an'Andriamanitra indroa miantaona?"
Jeff: "Fa maninona no indroa miantaona?"
Ny rainy: "Izao mantsy, Andriamanitra no nanao ny olona, fa ny olona kosa tafasaraka tamin'Andriamanitra noho ny ota. Rehefa maty teo amin'ny hazo fijaliana Jesoa, dia novidiany tamin'ny ainy isika mba hahatonga antsika ho an'Andriamanitra indray."
Jeff: "Ahoana no ahafantarako fa an'Andriamanitra indroa miantaona aho?"
Ny rainy: "Mangataha amin'i Jesoa mba havelany ny fahotanao rehetra, angataho Izy hiditra amin'ny fiainanao, dia ho zanak'Andriamanitra ianao. Amin'ny maha-zanak'Andriamanitra anao, dia an'Andriamanitra indroa miantaona ianao. Mitombina aminao ihany koa izany."
Mpandray anjara: Mpitantara, ankizilahy, Jeff, ny rainy, vehivavy mpivarotra
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina