Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 041 (The chief and Jesus)
41. Ilay mpitarika sy i Jesoa
Nitondra antsibe teny an-tanany ilay misionera, sady namakivaky ny ala. Namirapiratra teny amin'ny lanitra ny masoandro. Ary farany, dia tonga tao amin'ny tanàna Indiana iray izy. Niarahaba azy tamin-kafanam-po ny filohan'ny foko.
Tsy mbola nisy fotsy hoditra tonga teto amin'ity foko ity mba hilaza amin'izy ireo ny momba an'i Jesoa. Niantso ny Indiana rehetra ireo mpively amponga. Nanomboka niteny tamim-pifaliana ilay misiônera:
Misionera: "Andriamanitra no naniraka ahy ho atỳ aminareo, mba ho fantatrareo ny fomba ahatongavana any an-danitra."
Faly be ilay lehiben'ny foko noho io vaovao tsara io. Nitsangana izy ary nandeha naka zavatra.
Sefo: "Ny sefo no manome ny famakiny ho an'Andriamanitra."
Avy eo dia mihaino ny tohiny izy.
Misionera: "Tia anareo Andriamanitra ary tiany ho tonga ao Aminy ianareo. Fa Andriamanitra dia masina, ary ny fahotanareo no manakana ny lalana manadeha any. Ny mpanota tsy mahazo miakatra any an-danitra."
Tena nampalahelo ny Indiana izany, satria marina ny azy. Nangalatra izy ireo, nandainga ary namono olona, ary noho izany dia menatra izy ireo.
Misionera: "Aza malahelo ianareo. Tia anareo Andriamanitra. Te hamela ny helokareo Izy."
Feno hafaliana noho ilay vaovao tsara, dia nitsangana ny filoha, somary nihataka kely dia niverina nitondra karipetra miloko tsara tarehy.
Sefo: "Faly ny sefo, satria tia azy Andriamanitra, ka dia manome karipetra an'Andriamanitra."
Misionera: "Andriamanitra naniraka ny Zanany ho amin'izao tontolo izao mba hanonitra ny fahotan'izao tontolo izao."
Andriamanitra no nanao izany rehetra izany! Lasa ny sefo nitondra ny zavatra sarobidy indrindra nananany.
Sefo: "Ny sefo manome ny soavaliny ho an'Andriamanitra ny. Amin'izao, tsy manana na inona na inona homena an'Andriamanitra intsony aho."
Tena marina ve, tsy misy zavatra hafa? Mbola niteny ihany ilay misionera hoe:
Misionera: "Jesoa, ilay zanak'Adriamanitra, dia maty an-tsitrapo teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotanareo. Tia anareo Izy. Minoa an'Andriamanitra ianareo dia hamela ny helokareo Izy ary ho any an-danitra ianareo indray andro any."
Namirapiratra ny tarehin'ilay sefo.
Sefo: "Fantatro izao izay azoko omena an'Andriamanitra! Omeko Azy ny foko ary mino aho fa maty ho ahy i Jesoa."
Maro tamin'izy ireo no nanao toy izany koa, ary niverina tamim - pifaliana tany amin'ny lainy avy.
Te ho sambatra toy izany koa ve ianao? Afaka maka tahaka ny ohatra nasehon'ilay sefo ianao ary mino an'i Jesoa Tompo.
Mpandray anjara: Mpitantara, misionera, sefo
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina