STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 008 (Earthquake at midnight)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

8. Horohoron-tany amin'ny mamantonalina


Napetraka teo amin'ny seranana ny sambo. Paoly sy i Silasy namany nandeha an-tongotra ho any an-tanànan'i Filipy.

Na teny an-tsena na teny an-dalambe izy ireo dia niteny imbetsaka hoe:

Paoly: "Tia anareo Andriamanitra. Naniraka ny Zanany ho amin'izao tontolo izao Izy. Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianareo."

Nino sy nihaino tamim-pifaliana ny tantaran'i Jesoa i Lydia. Tezitra ny sasany sady nikiakiaka mafy tamim-pahatezerana:

Lehilahy: "Miteraka korontana izy ireo! Tsy te-handre izany izahay. Esory eto izy ireo!"

Raikitra ny tora-bato. Tampoka teo dia nanjary nankahala ireo irak'Andriamanitra ny vahoaka. Ireo lehilahy tezitra dia nandriatra ny fitafian'i Paoly sy Silasy ka nikapoka azy ireo. Naratra teo amin'ny lamosiny izy ireo vokatry ny daroka. Avy eo dia natao tao amin'ny fonja maizina sy mando izy ireo sady nopetahin'ireo mpiambina boloky ny tanany sy ny tongony, na dia feno ratra aza tamin'ny vatany, sy feno fanaintainana ny lamosiny.

Rehefa vakiana ny Baiboly dia tsy mba nitaraina ny voafonja ka niteny hoe:

"Nahoana no navelan'Andriamanitra hitranga amintsika izao?"

Nihira fiderana ho an'Andriamanitra izy ireo rehefa misasakalina.

Toy izao no zava-nitranga tamin'izany fotoana izany: Andriamanitra dia tonga nanampy azy ireo tamin'ny alalan'ny fandefasana horohoron-tany mafy. Nianjera ny rojon'izy ireo ary nisokatra ny varavarana. Taitra tamin'ny tabataba ny mpiambina ny fonja. Ny eritreriny voalohany dia hoe nandositra avokoa ireo gadra. Natahotra mafy ny tompony izy ka te ho faty... Noraisiny ny sabany...

Paoly: "Aoka aloha! Aza mandratra ny tenanao. Ato daholo izahay rehetra."

Tsy mampino! Tsy nisy nandositra na dia iray aza. Gaga ilay mpiambina ka niankohoka teo amin'ny tongotr'i Paoly.

Mpiambina fonja: "Inona no tokony hataoko mba ho voavonjy?"

Paoly: "Tsy mila manao na inona na inona ianao. Jesoa efa nahavita ny zavatra rehetra ho anao. Minoa an'i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao."

Zavatra tsotra tahaka izany no ilaina. Nino ny mpiambina ny fonja ary niova. Tsy nanao ratsy tamin'ireo voafonja izy taorian'izay, fa nomeny sakafo sy notsaboiny ny ratrany. Ny ampitso maraina, nandefa iraka tany amin'ny mpiambina ny fonja ilay mpitsara hilaza aminy mba hamotsotra azy roalahy. Ireo iraka ireo dia tonga teo amin'i Paoly sy i Silasy mba hiala tsiny noho ny fampijaliana nataon'izy ireo. Rehefa afaka izany, Paoly sy Silasy nanohy ny diany ho any amin'ny toerana maro hafa, nanambara tamin'ny olona maro hafa:

Paoly: "Minoa an'i Jesoa Tompo, hovonjena ianareo, ary hanana fiainana mandrakizay."


Mpandray anjara: Mpitantara, Paoly, lehilahy, mpiambina ny fonja

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on February 26, 2025, at 11:09 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)