STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 134 (STOP 2) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
134. Mijanona 2Ankizivavy: "Ato amin'ny sekolin'ny mpitondra ny fiaran'ny fiainana, dia hiresaka momba ny famantarana STOP isika anio!" (tabataban'ny fifamoivoizana) Ankizilahy: "Adala ve izy? Nandeha haingana beteo amin'ny STOP izy fa tsy nijanona!" Ankizivavy: "Ohatran'ny hoe maika be izy… Fa tena mampidi-doza an!" Ao amin'ny Baiboly ihany koa dia nisy lehilahy iray maika be. Tsy ampoizina izay hataony sady ratsy fanahy izy. Natahotra azy ny olona rehetra. Nanana hevitra te hamono olona izy. Nampijaly olona maro tsy nanan-tsiny izy. Saoly: "Handringana ny Kristianina rehetra isika, dia izay rehetra milaza fa Zanak'Andriamanitra i Jesoa! Andao isika ho any Damaskosy." Te hisambotra lehilahy sy vehivavy izy. Ny lohan'ny mpisorona mihitsy no nanome azy fahfahana azy hanao izany! (feon'ny olona mandeha) Nandeha haingana kokoa i Saoly. Tampoka teo anefa, voasakana izy ka nianjera tamin'ny tany. Nisy hazavana mamirapiratra avy any an-danitra nanodidina azy. Jesoa: "Saoly! Saoly! Nahoana ianao no manenjika Ahy? Saoly: "Tompo ô, iza… iza moa ianao?" Jesoa: "Izaho no Jesoa izay enjehinao, mitsangàna ianao, ka mankanesa any Damaskosy, dia ho hitanao any izay tokony hataonao." Nandre ny feo ihany koa ireo lehilahy niaraka tamin'i Saoly, nefa tsy nahita na iza na iza. Rehefa tafatsangana i Saoly, dia lasa jamba izy. Nentin'ny namany tany an-tanàna izy. Jesoa no nanakana an'i Saoly. Tamin'izay no nahatsapany fa diso lalana izy tamin'ny fiainany. Nihevitra izy fa efa an'Andriamanitra, nefa diso izany! Raha tsy misy an'i Jesoa, dia diso lalana isika rehetra, dia ilay tsy mitondra antsika any an-danitra. Lalana mampidi-doza io. Izany no nahatonga an'i Jesosy nanakana an'i Saoly sy ny maro hafa. Ankizivavy: "Mbola tsy nahita hazavana lehibe mihitsy aho." Ny takelaby "famantarana STOP" ataon'Andriamanitra dia mety samihafa ho an'ny olona tsirairay. Ankizilahy: "Mety ho loza na aretina, ohatra. Nanao ahoana izany taminao?" Ny STOP ho ahy dia toriteny. Mampiasa ny olona ihany koa Andriamanitra ho STOP ho an'ny hafa. Ankizivavy: "Ary inona no nitranga tamin'i Saoly?" Niaiky izy fa diso lalana ary avy eo dia nivavaka izy. Rehefa afaka hateloana, dia nisy lehilahy atao hoe Ananiasy tonga nitsidika azy. Ananiasy: "Ry Saoly rahalahy, Jesoa Tompo dia naniraka ahy ho atỳ aminao, mba hahitanao indray. Ary aoka ho feno ny Fanahy Masina ianao, Izay hanome hery anao ho amin'ny dianao eo amin'ny fiainana." Ary tamin'izay dia nahiratra Saoly. Ankizilahy: "Dia ahoana?" Lasa namany akaiky ireo Kristianina tiany hovonoina. Ary nampahafantariny tamin'ny olona maro ny lalana mankany amin'i Jesoa. Mpandray anjara: Mpitantara, ankizivavy, ankizilahy, Saoly, Jesoa, Ananiasy © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |