Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 067 (Proof of Jesus)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

67. Ireo porofon'i Jesoa


Sara: "Ahoana no ahafantarako fa marina izany?"

Inona no tianao holazaina?

Sara: "Mombamomba an'i Jesoa. Afaka manaporofo marina ve ianao fa tena Zanak'Andriamanitra tokoa izy?"

Azonao porofoina ve fa ianao no Sara?

Sara: "Miaraka amin'ny kara-panondroko. Mahamenatra fa Jesoa dia tsy nanana na dia iray aza."

Hasehoko anao ny karapanondro dimy an'i Jesoa!

Sara: "Nanana karapanondro dimy ve izy? Marina ve izany?"

Jesoa dia nahazo avy amin'Andriamanitra ny karatra famantarana voalohany. Tamin'ny batisany dia re avy tany an-danitra ny feo nanao hoe:

Andriamanitra (feo misy akony): "Ity no Zanako malalako, izay sitrako: Izy no henoy."

Ny karatra famantarana faharoa dia ny Baiboly. Ny faminaniana rehetra momba ny Zanak'Andriamanitra dia tanteraka 100% tao amin'i Jesoa.

Ny porofo fahatelo ho an'ny zanak'Andriamanitra dia ny fitsanganany tamin'ny maty. Velona izy. Maro ny olona afaka mijoro vavolombelona amin'izany.

Ary ny kara-panondro fahefatra, dia ny olona manodidina azy no namoaka izany. Ireo olona izay nahafantatra azy dia niteny hoe:

Olona: "Zanak'Andriamanitra tokoa izy."

Sara: "Tsy ampy iray ilay kara-panondro."

Avia, fa hasehoko anao ny porofo tamin'izay nitranga tao Kana. Nankalazaina ny fampakaram-bady iray. Nilanonana nandritra ny fito andro niaraka tamin'ny ampakarina sy ny mpampakatra ny tao an- tanàna. Voaasa ihany koa Jesoa sy ny namany. Tsy mbola tena nanana antoka ihany koa izy ireo hoe Zanak'Andriamanitra i Jesoa.

Faly ireo nasaina. Nihira izy ireo, nandihy, nilalao, nihinana ary nisotro; mandrapahatongan'ity tranga ity hoe: tsy nisy divay intsony. Tsy nanana hosotroina intsony tao an-trano.

Sara: "Mahasosotra kosa izany..."

Nahatsikaritra izany voalohany i Maria. Ary izy nilaza izany tamin'i Jesoa, ka hoy Izy tamin'ny mpanompo:

Jesoa: "Fenoy rano hatraty ambony ireo siny ireo."

Raha atambatra, dia nitaona rano maherin'ny 600 litatra avy tao amin'ny lavadrano izy ireo. Inona no manaraka?

Jesoa: "Fenoy ny vera iray ka ento any amin'ilay olona mpandahatra ny sakafo, fa tokony handramany."

Nisotro kely ilay mpandahatra ny sakafo ary nandeha faingana tany amin'ny mpampakatra.

Ny mpandahatra ny sakafo: "Avy aiza no ahazoanao ity divay ity? Tsy mbola nisotro divay tsara toy izany aho teo amin'ny fiainako."

Nanova ny rano madio ho divay tena tsara i Jesoa!

Io no fahagagana voalohany nataon'i Jesoa. Ny fahagagana dia porofo, iray amin'ny karatra famantarana an'i Jesoa, mba hampisehoana fa Zanak'Andriamanitra tokoa izy. Nahita an'io fahagagana io ny mpianatra ka nino an'i Jesoa.

Kara-panondro dimy ho an'ny Zanak'Andriamanitra. Ampy ho ahy ireo porofo ireo. Mino Azy aho. Ary ianao mba ahoana?


Mpandray anjara: Mpitantara, Sara, Feon'Andriamanitra, olona, Jesoa, mpandahatra ny sakafo

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 07, 2025, at 11:00 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)