STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 064 (On the run) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
64. Ny fandosiranaMahafinaritra fa mihaino ianao amin'izao fotoana izao! Nahafinaritra ve ny krismasinao? Maro ny olona manerana izao tontolo izao no mankalaza ny Krismasy ary faly fa teraka i Jesoa, ilay Mpanjaka mandrakizay. Nisy anefa olona iray izay tsy faly tamin'izany fotoana izany, efa ho 2000 taona lasa izay: Heroda Mpanjaka. Natahotra ny ho very seza fiandrianana izy. Ary izany no antony naniriany ny hamonoana an'i Jesoa zaza raha vao tafaverina ny Magy hilaza aminy hoe aiza no misy an'i Jesoa. Fa tsy niverina tany Jerosalema ny olon-kendry, satria Andriamanitra niteny tamin'izy ireo tamin'nynofy mba hanao zavatra hafa. Andriamanitra: "Aza miverina any amin'i Heroda mpanjaka. Mandehana any amin'ny lalana hafa rehefa miverina any amin'ny firenenareo ianareo." Ary izany indrindra no nataon'izy ireo. Izay mahalala manokana an'i Jesoa dia mankatò Azy an-tsitrapo. Dia niverina ho any an-tranony tamin'ny lalana hafa izy ireo. Na izany aza, tsy niala ny loza. Andriamanitra nilaza tamin'i Josefa tao amin'ny nofy izay tokony hataony. Andriamanitra: "Mitsangàna ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny, ka mandosira ho any Egypta, ary mitoera any ambara-piresahako aminao; fa Heroda hitady ny Zazakely mba hamonoany azy." Tia an'Andriamanitra i Josefa ary nankatò azy avy hatrany. Mankatò an'Andriamanitra ihany koa ve ianao rehefa asainy manao zavatra? Rehefa nisasaka ny alina, dia nitsangana Josefa ka nandositra nankany Egypta niaraka tamin'i Maria sy Jesoa zazakely. Tena ara-potoana, satria efa nahatsikaritra i Heroda fa ny olon-kendry tsy niverina tany aminy. Tao anatin'ny fahatezerany no nanomezany baiko mampivarahontsana: Heroda: "Vonoy daholo ny zaza latsaky ny roa taona. Tsy maintsy tanterahina avy hatrany ao Betlehema sy any amin'ny faritra manodidina izany didy izany." Adala ve i Heroda? Niteraka alahelo be izy noho io baiko io. Saingy tsy nahita an'i Jesoa zazakely izy. Tsy afaka nanao ratsy Azy izy. Rehefa tokony ho teo amin'ny telo taona teo ho eo Jesoa dia maty i Heroda Mpanjaka. Nisy anjely nilaza tamin'i Josefa tamin'ny nofy. Andriamanitra: "Mitsangàna, ento ny Zazakely sy ny reniny, ka mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely." Tsy nila namerina izany indroa tamin'i Josefa Andriamanitra. Natoky ny tenin'Andriamanitra izy ary nankatò izany. Nody tany an-tranony niaraka tamin'i Maria sy i Jesoa zazakely izy. Ary tao amin'ny Isiraely tao amin'ny tanàna kely atao hoe Nazareta no nahalehibe an'i Jesoa Tompo, araka izay efa nolazain'Andriamanitra. Mpandray anjara: Mpitantara, Feon'Andriamanitra, Heroda © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |