STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 039 (Stoning and crowning) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
39. Fitoraham-bato sy fanosoranaNiomana sy nanao fanazaran-tena tsara ireo mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga voalohany ary tsy andrin'izy ireo ny fifaninanana ara-panatanjahantena nasionaly. Samy nanao izay ho afany ny tsirairay. Ary tamin'ny lanonana famaranana, hita ny endrika feno fifaliana ho an'ireo izay nahazo loka. Stan dia nihazakazaka tahaka ny tompon-daka. Alaivo sary an-tsaina hoe nanomboka tsara izy, nanome ny tsara indrindra avy aminy, ary nahavita nihoatra ny hafa rehetra mihitsy aza, saingy mialoha ny tsipika fahatongavana dia lasa nipetraka teo amin'ny dabilio eny amin'ny sisiny izy ka niala an-daharana. Sarotra ny maka izany sary an-tsaina, sa tsy izany? Na iza na iza manomboka tsara dia manao izany mba ahafahana manohy ny diany sy hitazonany ny hafainganam-pandeha hatramin'ny farany. Mihatra amin'ny olona rehetra miara-miaina amin'i Jesoa ny toy izany. Amin'ny finoana, dia zava-dehibe ny manomboka fiainam-baovao miaraka amin'i Jesoa, fa ny tohiny dia miankina amin'ny fomba hitomboantsika sy haharetantsika amin'ny finoana. Manampy antsika i Jesoa, ary azo tarafina izany, ohatra, amin'ny fomba nataony ho an'i Stefana. Maro ny olona te handresy lahatra azy tsy hino an'i Jesoa. Vakintsika ao amin'ny Baiboly fa tonga ireo olona ireo ary niady taminy. Saingy nisoroka izany i Stefana. Ary nahatonga ny rehetra ho tezitra mafy izany. Niely hatraiza hatraiza ny lainga mahatsiravina momba an'i Stefana, lehilahy iray izay nino an'Andriamanitra sady nanampy ny mahantra.Tsy maintsy niseho teo anatrehan'ny fitsarana mihitsy aza i Stefana. Mpampanoa lalàna: "Nanevateva an'Andriamanitra i Stefana ary nilaza zavatra mifanohitra amin'ny lalàna." Mpitsara: "Marina ve izany fiampangana izany?" Samy nijery an'i Stefana avokoa ny olona rehetra. Ny tarehiny dia namirapiratra tahaka ny tarehin'anjely. Raha tokony ho niaro tena izy dia nanomboka nilaza tamin'izy ireo ny momba an'i Jesoa. Stefana: "Tonga teto an-tany ny Zanak'Andriamanitra. Nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana Izy. Fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty." Na dia manoloana ny fitsarana aza, dia nitoetra nahatoky an'i Jesoa Tompo i Stefana. Dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Stefana: "Hitako ny lanitra misokatra ary Jesoa mitsangana eo an-kavanan'Andriamanitra." Taorian'izany teny izany dia nirohatra an-katezerana ny vahoaka nankeo aminy. Nokapohina izy ka notaritaritin izy ireo ho eny ivelan'ny tanàna. Niaritra hatrany i Stefana ka nitoetra ho mahatoky an'i Jesoa. Notoraham-bato ho faty izy. Talohan'ny nahafatesany dia nivavaka izy. Stefana: "Ry Jesoa Tompo ô, mankany aminao any an-danitra aho; Mamelà ny helony." Sarotra ny lalana mankany amin'ny tanjona. Nitoetra ho mahatoky anefa i Stefana. Ary noho izany dia nomen'i Jesoa satro-boninahitra izy. Ny finoana an'i Jesoa sy ny fahatokiana Azy dia manana lanjany foana, satria ny zava-tsarotra, ny fankahalana ary ny fanalam-baraka dia tsy hanana ny teny farany. Mbola ho avy ny tsara indrindra. Mpandray anjara: Mpitantara, mpampanoa lalàna, mpitsara, Stefana © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |