STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 030 (Meeting Jesus) This page in: -- Albanian -- Arabic -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
30. Fihaonana Tamin'i JesoaEfa naniry ny hiaina tamin'ny 2000 taona lasa ve ianao mba nahafahanao nihaona tamin'i Jesoa? Afaka nahita sy nandre Azy? Melanie, nanao ahoana izany ho anao? Oviana ianao no nihaona tamin'i Jesoa? Melanie: "Tamin'ny alalan'ny fampianarana nomen'ny reniko anay. Nolazainy taminay ny lalana tokana mankany an-danitra amin'ny alalan'i Jesoa, izay hany afaka mamela ny fahotantsika rehetra satria maty ho antsika Izy. Ary nieritreritra aho hoe raha misy olona iray izay tsy nanota mihitsy nanao zavatra mahafinaritra toy izany ho an'ny hafa, maneho izany fa tena tia antsika Izy. Noho izany dia nanapa-kevitra ny hino aho ary nandray ilay fanomezana." Ahoana no nanaovanao izany? Melanie: "Nanao vavaka tsotra fotsiny aho." Inona no nitranga taorian'izay? Melanie: "Afaka nolazaiko taminy ny zavatra rehetra nampalahelo ahy, ary nisaotra Azy noho ny fanampiany isan'andro. Nataony ho olom-baovao aho, ary fantatro fa manana olona azoko itokisana foana aho izay tsy handiso fanantenana ahy mihitsy." Sara, nihaona tamin'i Jesoa koa ve ianao? Lazao anay nanao ahoana no niantombohan'izany. Sara: "Tamin'ny alalan'ny hira tena tiako (milalao mozika ho an'ny daholobe). Tian'i Jesoa hahafantatra Azy ianao, satria tia anao Izy. Hoy Izy: "Ary izay manantona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy." (Jaona 6. 37) Nahoana ianao no tsy manao tahaka izay nataon'i Melanie-ambarao Aminy ny fahotanao, ary tahaka ny nataon'i Sara ihany koa-Angataho hiditra amin'ny fiainanao Izy. Mamaly ny vavaka ataonao Jesoa. Ho tonga zanak'Andriamanitra ianao. Mpandray anjara: Mpitantara, Melanie, Sara © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |