Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 023 (Peter starts again 8)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

23. Mandray dingana vaovao i Petera 8


Ankizilahy: "Inona no olana amin'i Petera e?"

Tovovavy: "Tena ohatry ny hafa mihitsy ny fijery azy amin'izao fotoana izao."

Ankizilahy: "Marina izany, tsy mivazivazy toy ny mahazatra izy."

Tovovavy: "Ary tena mangina izy."

Toa malok'endrika be i Petera.Toy ny hoe mitondra kitapo mavesatra sy tsy hita maso eo an-damosiny izy. Inona no ao anatin'izany? Tsy niresaka momba izany mihitsy izy.

Mahagaga fa isaky ny any amin'ny sekoly Alahady izy dia mitazona foana ny kitapony. Fantatr'i Petera fa tsy ho afaka hampifaly an'Andriamanitra mihitsy izy, raha mbola misy io vesatra io.

Lasa saina mafy izy rehefa nody tany an-tranony. Te ho irery izy ary nandeha avy hatrany tany amin'ny efitranony.

Niodina ao an'eritreriny hatrany ny momba ilay enta-mavesatra nentiny:

• Entana nangalarina tao amin'ny magazay,
• Ny vola nalainy an-tsokosoko tao amin'ny kopetran'ny reniny,
• Ny lainga sy ny vazivazy ratsy nolazainy mba hampiaiky volana ny olona.

Petera: "Tsy afaka manohy toy izao aho..."

... Nieritreritra i Petera. Fantany tamin'ny alalan'ireo tantara ao amin'ny Baiboly fa afaka manova sy manavao ny zava-drehetra i Jesoa. Fiaingana vaovao no tian'i Petera, ary izany no antony nanaovany zavatra tsy mbola nataony hatrizay: nivavaka izy.

Nolazainy am-pahatsorana tamin'i Jesoa fa tena nanenina mafy izy tamin'izay rehetra nataony.

Niresaka tamin'ilay tsy hitantsika izy, kanefa Izy ilay momba antsika mandrakariva sy mihaino antsika amin'ny fotoana rehetra.

Petera: "Ry Jesoa Tompo ô, misaotra Anao indrindra aho. Tia ahy ianao na dia fantatrao aza ny zava-drehetra momba ahy. Mamelà ahy noho ny lainga sy ny halatra ary ny teny ratsy. Ataovy madio ny foko, midira amin'ny fiainako ary meteza ho Tompoko. Amen."

Taorian'ny vavaka nataony, dia nahatsiaro maivamaivana i Petera, satria mamaly vavaka foana i Jesoa. Nilaza tamim-pifaliana i Petera hoe:

Petera: "Misaotra anao, Jesoa Tompo ô, fa namela ny heloko ianao, ary hiaraka amiko mandrakariva."

Tsikaritr'izy ireo fa niova i Petera. Nambarany tamin'izy ireo ny antony, na dia nihomehy azy aza ny sasany tamin'izy ireo sady tsy nahatakatra izany.

Moa ve manana enta-mavesatra toy ny kitapo mavesatra eo an-damosina ianao?

Tsy fantatro izay ao amin'ny kitapo, fa fantatro fa afaka lazainao amin'i Jesoa ny zavatra rehetra. Afaka manao toa an'i Petera koa ianao!

Raha manao izany ianao, dia tiako ny handre ny akony avy aminao.


Mpandray anjara: Mpitantara, zanaka roa, Petera

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on September 15, 2025, at 07:23 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)