Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 137 (The destination indicator 5)
137. Ny famatarana lalana 5
Ankizivavy: "Ny Sekolin'ny Fiainana Fizarana Faha-4. Ny takela-by mpanoro lalana."
(tabataban'ny fifamoivoizana)
Lena: "Ary ankehitriny, mankaiza aho?"
Cathy: "Mampihomehy! Mihantona any an-trano eo amin'ny solaitrabeko fotsy ilay planina."
Lena miampanga: "Tsara izany! Inona àry izany amin'izao no hataontsika?"
Cathy: "Iry, misy Misy takela-by mpanoro lalana."
Heverinao ve fa tonga any amin'ny toerana halehany ireo tovovavy? Tena tsara ny fisian'nireny takela-by mpanoro lalana ireny! Ary tsy ho an'ny fifamoivoizana ihany, fa ho an'ny fiainantsika ihany koa. Fantatrao ve fa Andriamanitra dia mametraka takela-by mpanoro lalana antsika eo amin'ny lalantsika?
Ankizilahy: "Manao ahoana izy ireo?"
Manana tanana sy tongotra, sofina ary vava izy ireo. Tahaka an'i Filipo. Io mpitari-dalana io dia nahafantatra ny lalana tokana mankany amin'Andriamanitra. Hainy tsara ny nanazava izany. Nasehony olona maro ny lalana mankany amin'i Jesoa.
Anjely: "Ry Filipo, mandehana mianatsimo amin'ny lalana avy any Jerosalema mankany Gaza."
Nila an'i Filipo Andriamanitra. Mila anao ihany koa Andriamanitra. Mila olona mahalala ny lalana izy. Te ho mpitari-dalana ve ianao, toy ny takelaka mpanoro lalana ho any amin'i Jesoa? Afaka mianatra zavatra betsaka avy amin'i Filipo ianao. Tsy niteny izy hoe: tsy tiako izany, tsy olako izany.
Mankatò avy hatrany izy. Tsy naharitra ela ny nijanonany irery teny an-dalana ho any Gaza izy.
Tonga tamin'ny kalesy lafo vidy ny Minisitry ny Fitantanam-bolan'ny Mpanjakavavin'i Etiopia.
Nandeha 200 km mahery io lehilahy io mba hivavaka tany Jerosalema. Tao amin'ny tempoly.
Nividy horonam-boky lafo vidy. Teny am-pandehanana dia novakiny mafy ny andalan-tsoratra masina tao amin'ny Baiboly izay voaraikitra tao amin'ilay horonan-taratasy.
Nihazakazaka nankany amin'ny kalesy i Filipo.
Filipo: "Azonao ve izay vakinao?"
Ilay Etiopiana: "Tsia, tsy manana olona hanazava izany amiko aho. Avia mipetraka eto akaikiko dia hazavao amiko ny heviny."
Filipo: "Miresaka momba an'i Jesoa ny zavatra vakinao. Izy no hany lalana tokona mankany amin'Andriamanitra. Minoa Azy, fa Izy no hitondra anao ho any amin'izay toerana tokony halehanao amin'izao fiainana izao sy ny amin'ny fiainana ho avy."
Ilay Etiopiana: "Mino aho fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra."
Filipo dia toy takelaka mpanoro lalana izay nitarika azy ho any amin'i Jesoa. Ary nanaraka ny toroheviny ny minisitry ny vola.
Nahita ny lalana marina ny fony. Nody am-pifaliana be tany an-tranony izy, ary izay ihany no fantatsika momba ny tantarany.
Manantena aho fa fantatrao ihany koa ny lalana tokana mankany amin'Andriamanitra ary ho tinao ny maha mpitari-dalana ho an'Jesoa anao: ao an-trano, any am-pianarana, miaraka amin'ny namanao. Ary indray andro any, any Frantsa, na any Alemaina, na any an-toeran-kafa, dia mety hilaina fatratra ny takelaka mpanoro lalana ho an'i Jesoa. Tahaka ny any Afrika sy any Azia.
Maneran-tany, olona an-tapitrisany no tsy manana famantarana. Mbola tsy nahare momba an'i Jesoa ho ilay hany lalana tokana mankany amin'Andriamanitra izy ireo.
Mpandray anjara: Mpitantara, ankizivavy, Lena (sy zazavavy), Cathy, ankizilahy anjely, Filipo, ilay Etiopiana
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina