STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 117 (Sad Christmas memory 1)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

117. Ilay fahatsiarovana mampalahelo mikasika ny Noely 1


Teo am-pandriany i Annette ary nivadibadika tamin'ny lafiny rehetra. Tampoka teo dia tsaroany hoe: Krismasy androany! Avy hatrany dia nitsambikina avy teo am-pandriana izy ka nitady ny zandriny.

Annette: "Danny! Danny, aiza ianao?"

Danny: "Mankanesa haingana eo am-baravarana fidirana, ry Annette."

Annette: "Inona no ataonao any ivelany any fa harary eo ianao!"

Danny: "Annette, tonga i Dadabe Noely! Nilaza ianao fa tsy ho avy aty an-tranontsika aty an-tendrombohitra aty izy, kanefa jereo anie e! Mbola navoakakoihany ilay kapako mena, ary nitondra zavatra ho ahy izy."

Hitan'i Annette tsara ilay izy. Sakakely fotsy toy ny ranomandry dia izay tafatsofoka tsara tao anaty kapa malefaka. Nentin'i Danny tao an-trano ilay izy.

Danny: "Homeko anarana hoe Blanche-neige izy. Tena faly be aho."

Nomen'i Danny sakafo ilay sakakely ary i Annette kosa nijery azy ireo sady nipetraka teo amin'ny seza mikodia ilay an'i Bebe. Rehefa nandinika azy ireo izy dia nahatsiaro Krismasy iray hafa, 5 taona lasa izay.

Fito taona izy tamin'izay, ary nahazo alalana nandeha niangona niaraka tamin'ny ramatoa mpifanila trano taminy sy i Lukas zanany lahy. Tena nahafinaritra ny nandre ireo hira sy nihaino ny pasitera niresaka momba an'i Jesoa zazakely. Tsy zakany anefa i Lukas, ilay tovolahy mainty volo tia vola. Niangavy azy izy mba hanome azy ny mofo mamy manana endriky ny bera, saingy tsy nanome mihitsy izy. Na dia kely aza, tsy nisy! Nanitsakitsaka ny ranomandry izy avy eo dia nody. Tsy andriny mihitsy ny sasak'alin'ny Krismasy. Rehefa nahita ny tarehin-drainy nalahelo anefa izy, dia tena saikatra.

Annette: "Tsy mihatsara ve i Neny?"

Dada: "Eny, ry Annette, marary mafy izy."

Nanatona tamim-pahatoniana ny fandrian-dreniny i Annette. Tsy hohadinoiny mihitsy izay nolazain-dreniny taminy tamin'ny feony malemy:

Neny: "Annette, manana fanomezana ho anao aho. Ny zandrinao lahy kely izany. Karakarao tsara izy."

Noraisin'i Annette teny an-tsandriny ilay zaza. Inona no dikan'izany? Nanatona azy ny rainy tatỳ aoriana.

Dada: "Annette, tsy eto amintsika intsony ny reninao fa mankalaza Krismasy any amin'ny Paradisa izy. Fantany fa ho faty izy ka izany no nanankinany an'i Danny kely taminao."

Nitomany teo an-trotroan-drainy i Annette mandra-patoriny. Andro Krismasy nampalahelo tokoa izany.

Variana tao anaty eritreritra lalina i Annette ka tsy fantany akory fa efa niditra tao amin'ilay efitrano ilay renibeny.

Danny: "Bebe, azonao lazaina aminay ve ny momba ny lanitra?"

Tena tian'i Danny mihitsy rehefa niresaka momba an'io toerana mahafinaritra tsy misy ranomaso io ny renibeny.

Mbola tao am-pon'i Annette anefa ny fifandirana tamin'i Lukas. Tsy nisy toerana ho an'i Jesoa tao aminy. Ary izany indrindra no nahatonga ny zava-drehetra hiharatsy kokoa...

Amin'ny manaraka dia henoinao ny tohin'ity tantara ity.


Mpandray anjara: Mpitantara, Annette, Danny, dada, neny

© Zon'ny mpamoron: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:46 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)