Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 113 (Can your God do everything)
113. Mahay ny zavatra rehetra ve ny Andriamanitrao
Catherine: "Jody, fantatrao ve? Vao avy nahazo 20 euros mahery aho amin'izao fotsiny! Tsy misy mahalala anefa fa mivavaka aho mba hahazo vola homena ny misionera."
Jody: "Inona no tianao ambara?"
Catherine: "Isaky ny mahazo vola fandaniana aho, dia omeko an'Andriamanitra ny ampahany amin'izany ho an'ny asa misionera. Anio aho dia te hividy saribakoly hatao ao anaty boaty ho any Chine amin'ny Krismasy. Hiaraka amiko ve ianao?"
Jody: "Mazava ho azy!"
Tao amin'ny fivarotana kilalao, nifantoka tamin'ny saribakoly lava volo miloko mavo sy akanjo manga tsara tarehy. Rehefa voaloa ny vola dia nankany an-tranon-d Ramatoa Hartmann i Catherine sy i Jody.
(feon'ny lakolosy sy fisokafan'ny varavarana)
Catherine: "Manao ahoana Ramatoa Hartmann! Mikasika ny fonosana ho an'ny Krismasy ity."
Ramatoa Hartmann: "Ooh, miala tsiny aho fa efa voafono ny boaty..."
Catherine: "Tsia... Fa ity saribakoly ity dia tsy maintsy mankany Chine mihintsy, azoko antoka izany. Nomen'i Jesoa vola tsy nampoizina aho mba hividianana azy."
Rehefa hitan-d Ramatoa Hartmann fa zava-dehibe tamin'ilay zazavavy kely izany, dia nosokafany ilay boaty.
Catherine: "Misaotra indrindra, Rtoa Hartmann. Manana tanjona amin'iny Andriamanitra."
Raha mba nahalala mantsy Rahavavy Ruth! Misionera tany Chine izy ary nampianatra teny alemà ankizivavy kely. Tena manan-talenta amin'ny fahaizana fitenenana samihafa i Adina. Mbola tsy nandre momba an'ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana sy tia azy fatratra anefa izy.
Adina: "Tena mahavita ny zava-drehetra tokoa ve ny Andriamanitrao?"
Rahavavy Ruth: "Eny, tsy misy tsy hain'Andriamanitra."
Adina: "Mila mandefa saribakoly avy any Alemaina manao akanjo manga ho ahy Izy amin'ny Krismasy, azafady mba lazao aminy izany."
Tsy fantatry Rahavavy Ruth hoe ahoana no hanatanterahan'Andriamanitra izany faniriana izany. Gaga be àry izy rehefa tonga tao anaty fonosan'ny Krismasy ilay saribakoly nirina, ho valin'ny vavaka nataony. Tsy kisendrasendra izany.
Rahavavy Ruth: "Misaotra, ry Jesoa Tompo fa velona ianao ary mahavita ny zavatra rehetra, miangavy anao mba avelao i Adina hahafantatra Anao."
Nataony tao anaty fonosana tsara dia nentiny ilay fanomezana ho an'i Adina.
Rahavavy Ruth: "Indro ry Adina, ny Tompo Jesoa no nandefa an'ity ho anao."
(feon'ny fanokafana fonosana)
Adina: "Ohh tena tsara tarehy izy! Ity mihitsy no karazana saribakoly tena niriko!"
Nitsambikina nanerana ny efitrano izy noho ny hafaliany. Lasa matotra tampoka anefa izy.
Adina: "Rahavavy Ruth, mahavita ny zavatra rehetra i Jesoa. Mino Azy aho, satria efa notanterahiny ny faniriako."
Dia nivavaka izy hoe:
Adina: "Jesoa Tompo ô, midira ato amin'ny fiainako ary diovy ny foko fa te ho anao 100% aho! Amena."
Ny tena fifalian'ny Krismasy no niditra tao am-pon'i Adina. Afaka manao ny zavatra rehetra Jesoa.
Ary notantarainy tamin'ny olona maro izany.
Mpandray anjara: Mpitantara, Catherine, Jody, Ramatoa Hartmann, Adina, Rahavavy Ruth
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina