STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 114 (An angel came)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

114. Nisy anjely iray tonga


Nandrinandry teo ambony karipetra i Marc. Nahasarika ny sainy manontolo ilay boky iray mahavariana.

(feon'ny lakolosim-baravarana)

Marc: "Iza indray izany?" (feon'ny varavarana misokatra)

Marc: "Alex! Ianao ve io? Ahoana no nahatonga anao eto?"

Tena zava-mahagaga be! Tsy nahateny i Marc. Nifindra tany amin'ny toerana hafa ilay namany akaiky, roa taona lasa izay, ary tsy nifankahita intsony izy ireo hatramin'izay.

Tamin'ny fomba tsy nampoizina ihany koa, dia nisy tovovavy iray teo amin'ny Israely nandray mpitsidika tena miavaka... Tsy nisy fotoana nifanomezana, tsy nisy fampilazana mialoha. Nijoro tampoka teo anoloany: anjely iray!

Toy izany koa Andriamanitra. Tonga tampoka, rehefa tsy misy manampo. Taitra i Maria.

Anjely: "Aza matahotra ianao, ry Maria, Tia anao Andriamanitra."

Manatona antsika Andriamanitra ary miteny Izy, na dia amin'izao ankehitriny izao aza. Miresaka amintsika amin'ny alalan'ny teniny, ny Baiboly, Izy. Indraindray Izy dia miteny amin'ny alalan'ny fahagagana na amin'ny alalan'ny olon-kafa ihany koa. Fony mbola tsy nisy Baiboly, dia matetika Andriamanitra no niresaka tamin'ny olona tamin'ny nofy na tamin'ny fandefasany anjely.

Anjely: "Ry Maria, homba anao anie Andriamanitra, tsy ho ela dia hanana zaza ianao."

Marie: "Ahoana no hahtaanteraka izany? Tsy manambady aho ary tsy miara-mipetraka amin'ny lehilahy."

Anjely: "Andriamanitra dia hanao fahagagana ao anatinao, ary ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao ary hanaloka anao Izy. Noho izany, ny zanakao dia antsoina hoe Zanak'Andriamanitra."

Maria: "Inty ny ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko izany araka ny teninao."

Nitranga ny fahagagana. Teraka tao amin'ny fihinanam-bilona tao Betlehema ny Zanak'Andriamanitra. Tao alalan'i Jesoa no nahatongavan'Andriamanitra teto amin'izao tontolo izao. Tonga teto amintsika Izy mba hanatonantsika Azy.

Efa im-betsaka aho no nankalaza ny Krismasy, saingy mbola mampitolagaga ahy hatrany io fahagagana io. Ilay Andriamanitra lehibe dia tonga olombelona hanakaiky antsika. Tamin'ny alalan'i Jesoa, dia nanatona antsika Andriamanitra, akaiky kokoa, hany ka afaka nahita sy nikasika Azy ny olona. Nahafaly an'ireo mpiandry ondry izany.

Tonga eto amintsika amin'ny alalan'i Jesoa Andriamanitra, ary afaka manatona anao koa Izy.

Tianao ho tonga eo amin'ny fiainanao ve izy? Azonao atao izany amin'ny alalan'ny vavaka tahaka izao:

Marc: "Jesoa Tompo ô, miangavy anao aho hiditra amin'ny fiainako fa efa novohako ho Anao ny varavaran'ny foko. Te ho Anao mandrakizay aho. Misaotra noho ny fitiavanao lehibe ahy."

Manatona anao Andriamanitra mba ahafahanao hanatona Azy.


Mpandray anjara: Mpitantara, Marc, anjely, Maria

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 10, 2025, at 09:37 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)