Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 073 (Shock in the classroom 1)
73. Zava-nitranga tao an-dakilasy 1
Tapitra ny fialan-tsasatra. Tsy tena mahafinaritra! Saingy tsy hankaleo ity taom-pianarana ity. Mitangorona ho vondrona kely ireo mpianatra tao amin'ny "Ecole du Chaîne".
Somary efa lany lamody ny akanjon'izy ireo, saingy izany no fomba fiakanjo tamin'izany fotoana izany. Kanefa dia tena niavonavona sy tsy nahalala fomba izy ireo; Indrindra fa i Jim. Izay zavatra lazainy dia tanterahan'ireo hafa.
Jim: "Henoy anie e! Rehefa tonga ilay mpampianatra vaovao ka miseho ho maranin-tsaina, dia izy no hanamontsana ny efa nisy teo aloha; hiala eto mialoha kokoa noho ny hafa rehetra! Efa nandroaka mpampianatra telo isika ary ity iray ity dia tsy hahajanona ela eto ihany koa!"
Tovovavy 1 avy any amin'ny sekoly: "Tsy misy olona afaka manodinkodina anay, na dia teeeena mankatò sy vonona hianatra aza izahay!" (Mihomehy amin'ny tsy misy fotony ny rehetra)
Tovovavy 2 avy any amin'ny sekoly: "Iny izy, tonga iny! Andao hiverina hiditra haingana ao am-pianarana."
Tovovavy 1 avy any amin'ny sekoly: "Ahoana no nahatafidirany tato amin'ny sekolintsika?"
Tovovavy 2 avy any amin'ny sekoly: "Nilaza ny talen'ny sekoly fa nalefan'Andriamanitra teto izy."
Jim: "Andao hataontsika izay hahatonga azy haniry ny hiala." (Mihomehy daholo ny rehetra)
(Feon'ny lakolosin'ny sekoly)
Naneno ny lakolosin'ny sekoly. Nandeha nipetraka tany amin'ny faran'ny kilasy i Jim sy ireo namany. Liana izy ireo, niandry hahita izay hitranga. Tonga tao an-dakilasy ilay mpampianatra. Niarahaba ny mpianatra tamin'ny fomba feno fitiavana izy.
Mpampianatra: "Miarahaba anareo rehetra. Amin'ity taona ity dia mila mifankahazo tsara isika samy isika. Raha te-hanana taom-pianarana tsara isika dia mila tsara fanombohana manomboka androany. Mitsangàna azafady. Andao hivavaka isika."
Mivavaka? Gaga ny mpianatra. Tohina mafy i Jim ka nitsangana ho azy ary nanakombina ny tanany.
Mpampianatra: "Ry Jesoa Tompo ô, ampio izahay mba hiara-hiasa tsara sy hifankazo tsara amin'ity taona ity. Misaotra ny mpianatra tsirairay, ary mivavaka aho mba hahafantatra anao bebe kokoa ny tsirairay, satria tianao izy rehetra. Amen."
Tsy azon'ny mpianatra ny dikan'izany. Nanohina ny fon'izy ireo anefa ny vavaka nataony. Tian'ilay mpampianatra hahafantatra an'i Jesoa izy ireo, satria tia azy ireo i Jesoa. Tsy mbola nandre zavatra toy izany mihitsy izy ireo teo aloha. Tsy nanam-potoana firy hieritreretana momba izany izy ireo. Raha mbola tsy tonga saina (tsy tafarina) tsara tamin'ny fahatairana voalohany izy ireo dia efa tonga indray ny faharoa.
Holazaiko aminao amin'ny tantara manaraka izay zavatra nitranga.
Mpandray anjara: Mpitantara, Jim, tovovavy roa avy any amin'ny sekoly, mpampianatra
© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina