STORIES for CHILDREN by Sister Farida

(www.wol-children.net)

Search in "Malagasy":

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 148 (The hardest test 3)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

148. Ilay fitsapana sarotra indrindra 3


Indraindray rehefa misy fitsapana sarotra ataonao any am-pianarana dia te hijanona eo am-pandriana ianao amin'io andro io, sa tsy izany?

Hafa satria tsy mba toy izany tamin'i Abrahama. Indray maraina dia nifoha maraina be izy. Tsy nanao fanadinana matematika na siansa izy. Te hitsapa ny finoany Andriamanitra.

Ny feon'Andriamanitra: "Abrahama!"

Abrahama: "Inty aho."

Ny feon'Andriamanitra: "Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, Isaka izany, ka mankanesa any amin'ny tany Moria. Atero ho fanatitra izy, any amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao."

Izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy tsy tia azy dia mety hihevitra fa lozabe Andriamanitra. Tsy nieritreritra ratsy momba an'ilay nizaha toetra azy i Abrahama.

Milaza fotsiny ny Baiboly hoe: nifoha maraina i Abrahama ka nanisy lasely ny ampondrany. Namaky kitay hanaovana fanatitra izy ka nitondra mpanompo roa lahy niaraka taminy sy Isaka zananilahy.

Nandeha dia an-tongotra efa ho 120 km izy ireo. Lalana lavitra ilay izy, izay mora notadiavin'izy ireo hiverenana.

Rehefa afaka telo andro, Hitan'i Abrahama ilay tendrombohitra. Nitodika tany amin'ny mpanompony izy.

Abrahama: "Mijanòna eto miaraka amin'ny ampondra ianareo fa handeha hivavaka amin'Andriamanitra izaho sy ny zanako, ary rehefa afaka izany, dia hiverina izahay."

Renao ve izany? Hoy Abrahama: Hiverina izahay. Nino mafy izy fa hamelona an'i Isaka Andriamanitra.

Nitondra ny kitay ilay zanany, ary ny raim-pianakaviana kosa no nitondra ny fitoeran-javatra nisy vainafo sy ny antsy. Dia niara-nandeha izy ireo.

Isaka: "Dada a!"

Abrahama: "Eny, anaka."

lsaka: "Manana ny kitay sy ny afo isika, fa aiza kosa ny zanak'ondry hatao fanatitra?"

Abrahama: "Anaka, Andriamanitra mihitsy no hiahy ny momba ny zanak'ondry."

Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay nasehon'Andriamanitra azy izy, dia nanorina alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay hazo. Namatotra an'i Isaka zananilahy izy ka nametraka azy teo ambonin'ny alitara. Dia noraisiny ny antsy.

Anjely: "Abrahama! Abrahama!"

Abrahama: "Inty aho."

Anjely: "Aza manisy ratsy ny zanakao, fa hitako izao fa tia an'Andriamanitra mihoatra noho ny fitiavanao ny zanakao lahitokana ianao."

Afaka tamin'ilay fitsapana mafy indrindra teo amin'ny fiainany i Abrahama.

Taona maromaro taty aoriana, teo amin'ny zato metatra miala an'i Moria, no natsangana ny hazo fijaliana izay namonoan'Andriamanitra an'i Jesoa Zanany lahitokana, mba ho tonga zanany isika raha mino Azy. Te hanao vavaka kely miaraka amiko ve ianao izao?

"Jesoa Tompo ô, mino Anao tahaka an'i Abrahama aho. Inona no mety hitranga amin'ny olona manana finoana toy izany?"

Azo antoka fa avelany handalo fahasahiranana ianao, saingy hanohana anao amin'ny tanany mandrakariva Izy.


Mpandray anjara: Mpitantara, Abrahama, Feon'Andriamanitra, lsaka, anjely

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 08:48 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)