Home
Links
Contact
About us
Impressum
Site Map


YouTube Links
App Download


WATERS OF LIFE
WoL AUDIO


عربي
Aymara
Azərbaycanca
Bahasa Indones.
বাংলা
Български
Cebuano
Deutsch
Ελληνικά
English
Español-AM
Español-ES
فارسی
Français
Fulfulde
Gjuha shqipe
Guarani
հայերեն
한국어
עברית
हिन्दी
Italiano
Қазақша
Кыргызча
Македонски
Malagasy
മലയാളം
日本語
O‘zbek
Plattdüütsch
Português
پن٘جابی
Quechua
Română
Русский
Schwyzerdütsch
Srpski/Српски
سِنڌِي‎
Slovenščina
Svenska
தமிழ்
Türkçe
Українська
اردو
中文

Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 154 (Jesus the victor 2)

Previous Piece -- Next Piece

LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra

154. Mpandresy Jesoa 2


Mahira-tsaina sy fetsy i Satana. Aza tsinontsinoavina mihitsy. Ny devoly dia tsy olona tamin' ireny anganongano ireny. Voalaza ao amin'ny Baiboly fa mandehandeha toy ny liona mierona izy, mitady izay harapany.

Ankizy: "Tsy noheveriko mihitsy hoe tena nisy tokoa izy io."

Izy no fahavalon'Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra hanakanana antsika tsy hino an'Andriamanitra. Tadidinao ve ny paikadiny laharana 1?

Ankizy: "Mamafy ny fisalasalana sy ny tsy fahatokiana an'Andriamanitra izy."

Mila malina tsara mahafantara ny fomba anaovany izany aminao. Aza milatsaka amin'io fandrika io. Angataho ny Tompo Jesoa hiaro anao. Satria nandresy ny devoly izy.

Ny Zanak'Andriamanitra no lasibatra tiany indrindra. Tena te hisakana an'i Jesoa tsy ho faty teo amin'ny hazo fijaliana ho antsika ny devoly. Te hanaisotra antsika tsy hanana fiainana mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra izy. Izany no antony nanafihany azy.

Devoly: "Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia ovay ho mofo ireto vato ireto. Ary raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia mitsambikina avy eny an-tampon'ny tempoly, fa Andriamanitra no hisambotra anao."

Jesoa no mpandresy! Tsy nila nanaporofo tamin'ny devoly izy fa tena Zanak'Andriamanitra tokoa. Taorian'izay dia nampiasa ny paikadiny laharana faha-2 ny fahavalo: Nanao fampanantenana lehibe izy.

Devoly: "Homeko anareo ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, raha hiankohoka eo anatrehanko ianao sy hivavaka amiko."

Jesoa: "Mandehana, ry Satana, fa voasoratra ao amin'ny Baiboly hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hivavahanao."

Jesoa no mpandresy! Fehezanteny iray monja no lazainy dia tsy maintsy mandositra ny devoly.

Jesoa no mpandresy! Izany no mahatonga ny devoly hankahala Azy.

Rehefa teo amin'ny hazo fijaliana i Jesoa dia nampiasa ny fomba fiadiany farany ny fahavalo.

Devoly: "Raha Zanak'Andriamanitra marina Ianao, midìna hiala amin'ny hazo fijaliana."

Raha nanao izany Jesoa dia ho very mandrakizay isika. Noho izany tsy misy ny famelan-keloka ho antsika. Mety tsy hisy ihany fiainana mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra.

Naharitra anefa i Jesoa. Izy no mpandresy! Resiny teo amin'ny hazo fijaliana avoaka ny ota sy ny fahafatesana ary ny devoly mihitsy. Porofon'izany ny fitsanganany tamin'ny maty.

Rehefa mino an'i Jesoa ianao dia eo anilan'ny mpandresy.

Aza matahotra, satria Jesoa Kristy no mpandresy!

Aza adino mihitsy ny mitodika Aminy! Mivavaha Aminy fa hiaro anao Izy.


Mpandray anjara: Mpitantara, ankizy, devoly, Jesoa

© Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina

www.WoL-Children.net

Page last modified on March 11, 2025, at 09:01 AM | powered by PmWiki (pmwiki-2.3.3)