STORIES for CHILDREN by Sister Farida(www.wol-children.net) |
|
Home عربي |
Home -- Malagasy -- Perform a PLAY -- 153 (Does the devil exist 1) This page in: -- Albanian -- Arabic? -- Armenian -- Aymara -- Azeri -- Bengali -- Bulgarian -- Cebuano -- Chinese -- English -- Farsi -- French -- Fulfulde -- German -- Greek -- Guarani -- Hebrew -- Hindi -- Indonesian -- Italian -- Japanese -- Kazakh -- Korean -- Kyrgyz -- Macedonian -- MALAGASY -- Malayalam? -- Platt (Low German) -- Portuguese -- Punjabi -- Quechua -- Romanian -- Russian -- Serbian -- Sindhi -- Slovene -- Spanish-AM -- Spanish-ES -- Swedish -- Swiss German? -- Tamil -- Turkish -- Ukrainian -- Urdu -- Uzbek
LALAO – tanteraho miaraka amin’ny ankizy hafa!
Tantara kely holalaovina an-tsehatra
153. Misy ve ny devoly 1Ankizy: "Manana fanontaniana aho: tena misy tokoa ve ny devoly?" Tena misy ny devoly. Manomboka tany an-danitra ny tantarany. Ankizy: "Tany an-danitra?" I Losifera no anjely tsara tarehy indrindra tamin'ireo anjely noforonina rehetra. Izy io dia noforonina mba hanadratra ilay Andriamanitra Tsitoha. Rehefa avy eo, dia nameno ny fony ny eritreritra feno avonavona. Losifera: "Te ho lehibe indrindra aho. Tahaka an'Andriamanitra! Te-hanjaka amin'ny zava-drehetra aho. Te ho Andriamanitra aho." Satria naniry ny ho lehibe indrindra izy fa tsy hivavaka amin'ilay Lehibe indrindra, dia natsipin'Andriamanitra avy tany an-danitra izy. Nantsoina hoe devoly na Satana izy hatramin'izay, ary fahavalon'Andriamanitra. Miaraka amin'ny hafetsena rehetra ananany, dia miezaka izy hanakorontana sy handrava ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny olony. Tian'Andriamanitra ho velona isika-tian'ny devoly ho faty isika. Andriamanitra dia tia ny fahamarinana-ny devoly dia mpandainga. Tian'Andriamanitra ny fiombonana amintsika, ny devoly dia te handringana antsika. Ankizy: "Nahomby izy tamin'i Adama sy Eva. Tafalatsaka tao anaty fitaoman-dratsy ry zareo." Hazavaiko aminao ny teti-dratsiny: Mba hitarihana ny olona hanalavitra an'Andriamanitra, dia afafiny ao am-pon'ny olona ny fisalasalana sy tsy fahatokisana an'Andriamanitra. Losifera: "Tena nilaza ve Andriamanitra fa tsy tokony hihinananareo ny voan'io hazo io? Moa ve nasakanany tsy hahazo ny tsara indrindra ianareo?" Voafitaka tanteraka i Adama sy Eva. Ary vokatr'izany no nidiran'ny fahafatesana tamin'izao tontolo izao. Nanomboka teo, dia tafasaraka tamin'Andriamanitra ny olona tsirairay. Ny fitiavan'Andriamanitra anefa lehibe lavitra, hany ka nampanantena Izy fa handresy ny devoly sy handamina ny zava-drehetra. Ankizy: "Azoko antoka fa miresaka momba an'i Jesoa izy." Marina ny anao. Jesoa no mpandresy! Mangovitra eo anatrehan'ny anarany ny devoly. Fantany hoe olona avy aiza no hahaterahan'i Jesoa, ka izany no antony nampiasany an'i Farao sy ny olon-kafa hanandrana handringana tanteraka ireo Jiosy ireo. Tsy navelan'Andriamanitra anefa izy. Teraka tao Betlehema i Jesoa indray alina. Jesoa no mpandresy! Tonga Izy handrava ny asan'ny devoly. Izany no mahatonga ny devoly hankahala azy ary mbola manafika hatramin'izao... Henoy ity tantara manaraka ity dia hazavaiko aminao izany. Mpandray anjara: Mpitantara, ankizy, Losifera (devoly) © Zon'ny mpamorona: CEF Alemaina |